15 Desambra – Taratasin’ny mpamaky

Taratasy ampitaina amin’ireo mpanao facebook, sy mpamaky gazety izao manaraka izao : Andrianampoinimerina ve nahazo famatsiana avy any ivelany namboly vary sy nampidi-drano teny Laniera sy Betsimitatatra, nefa dia voka-bary izany lemak’Antananarivo izany tamin’izany fotoana izany ? Hanao tatatra itaritana rano any atsimo 150 km tsy atao, nefa i Gallieni aza tamin’ny taona 1896 nahavita tatatra 665 km, nanao iny Canal des Pangalanes iny.

Mahalalà menatra leiretsy amin’ity politikana hatak sy trosa lava ity e ! Hanin-kohanintsika avy dia mbola iandrasana tosika avy any ivelany. Ny tany malalaka sy mamokatra, ny rano feno fa ariam-potsiny sy mivarina any an-dranomasina.

Raharimanana Patrick
Mpamakafaka politika