EDITO 15 Desambra – Fahasahiranan’ny orinasa – Mbola minia mikimpy ny fanjakana

Helisoa

Andro vitsy dia hivalona ny taona 2020, andro vitsy ihany koa dia higadona ny fetin’ny Krismasy hitsenana ny mpamonjy, sy ny taona vaovao 2021. Ao anatin’izany dia manao izay hahafaly ny ankohonany amin’izay misy kely eo am-pelatanany ny ray amandreny satria ny ankizy tokoa tsy mahay tsy misy izany.

Na izany aza dia misy ireo tsy afa-manoatra noho ny fisehoan-javatra nisy teto amin’ny firenena, ka voatery tsy miasa noho ny fikatonan’ ny orinasa. Ohatra amin’izany ny orin’asa KRAOMA. Narentirentin’ireo mpiasa ny sora-bavety milaza fa mamono azy ny fanjakàna, satria dia efa ambolana maro ireto farany no tsy mandray karama. Dia aiza no haleha, nefa ny andro fety?

Mampalahelo ny zava-misy, nefa ny fanjakàna tsy mahita vahaolana ho an’ireo mpiasa, fa dia mitazam-potsiny. Ao ireo orin’asa manao fiatoana teknika amin’ny asa (chômage techinique) noho ny fahasahiranana mahazo azy ireo tamin’ny fihiboana vokatry ny valanaretina CORONA VIRUS. Ny fanjakàna nampihiboka fotsiny, fa tsy mba nanome vahaolana, na efa nitaky izany aza ny fikambanan’ny mpandraharaha toy ny FIVMPAMA, GEM, GEFP sns…. .

Manakatona orinasa toy ny AAA aza no ataon’ny manampahefana amin’izao raha tsy hilaza afatsy izay fotsiny. Eo indrindra no mipetraka ny fanontaniana amin’izao andro fety izao. Mbola minia mikimpy ny fanjakàna manoloana ny fahasahiranana mahazo ny orinasa Malagasy amin’izao, ka mbola manao didi-kofehy lehibe amin’ireo orinasa mba misokatra ihany, nefa iniana anaovana antsonjay amin’ny valifaty politika ny sasany.

Mbola hampitombo sy hamono ireo vahoaka Malagasy tsy manan-tsiny mivelona amin’izany ve ny fanjakàna, ka hampitombo ireo very asa izay tsy ahitany vahaolana ankehitriny? Ho vitan’ny fanjakàna ve ny hijery ireo ankizy hitan-takolaka tsy hanao fety toy ny ankizy mitovy aminy fa dia hitazam-potsiny? Manana fo antra ve ny fanjakàna hijery azy ireo sa mbola hanao fo vato hatrany? Atsipy ny teny any ampon’ny mahalala.