EDITO 12 Desambra – Sosialin’ny vahoaka ataon’ny mpitondra Vahaolana tsy maharitra sy misy lesoka hatrany

Sôh’son

Mampihivingivina ny maro voailikilika hatrany ny mandre izay paik’ady apoitran’ny fitondrana amin’ny famahana ny olam-bahoaka, taorian’ireny karazana fanampiana nosalorana anarana maro samihafa ireny, nandritry ny krizy ara-pahasalamana teto amin’ny firenena. Vao mahare ny maro ireo fa hisy ny lisitra, ny sivana, ny fokontany, ny marefo, ny sahiranana, sns… dia sary ratsy mandrakariva no tonga ao an-tsain’izy ireo. Ny antony, hisy hatrany ny fijery mitanila, manavaka, ny kinamanamana, ny mpiray antoko, ary hisy tsy hahazo mihitsy na dia anisan’ny tokony hisitraka aza. Niainan’izy ireo izany tao anaty fahasahiranana lalina sy mafy, izay mbola mitohy mandraka ankehitriny.

Hotanterahina indray ankehitriny ny amin’ny hoe fizarana sakafo mora ho an’ny sahirana eny anivon’ny fokontany. Tsy voafaritra mazava anefa ny toerana anaovana azy. Ho an’ny mpandinika, dia tsy vahaolana velively izany vonjy tavanandro fotsiny izany. Tsy voatery hanambola mandrakariva ny sahirana, ary misy aza mandry fotsy lava. Tsy ananana na dia vola ariary zato aza. Tena misy io, ary efa manaporofo izany ny fisian’ny mamoy ny ainy noho ny fahantrana lalina, ka asian’ny hanoanana. Mbola misy ihany anefa ireo manam-pahefana na tomponandraiki-panjakana ambony na mpitondra mihitsy mahavita mandany volabe amin’ny fandaniana samihafa, ohatra toy ny nataon’ny teny anivon’ny Antenimierampirenena ireny nandritry ny fotoam-panokafana ny fivoriany. Kajikajy politika hatrany mantsy no laharam-pahamehana ho azy ireny vao manao zavatra eto amin’ity firenena ity, fa tsy ny fitiavana ilay vahoaka hanasoa sy hanao izay hivoarany amin’ny lafiny maha olona azy sy hisitrahany marina amin’ireo harena eto amin’ity firenena ity.

Saika tsikaritra sy tsapa mandrakariva, fa ny vahaolana entin’ny fitondrana ankehitriny asetry ny olana miseho eo amin’ny fiainam-bahoaka andavanandro, dia antematemaka avokoa, fa tsy mipaka amin’ny fototra. Hita izany amin’ireo sehatra maro samihafa na ara-tsakafo, na ireo entana fanjifa andavanandro tsy mitsaha-miaka-bidy, na eo amin’ny seha-pampianarana, na trano fonenana, na indrindra ny asa fivelomana sy fihariana.

Ny manahirana ny sain’ny mpandinika, dia ny fahitana ny fihetsiky ny fitondrana mbola ao anaty fotoanan’ny fampielezan-kevitra hatrany. Ary io toe-javatra io indrindra no antony mampandrorona ny asa fampandrosoana atao eto amin’ny firenena. Tsy hain’ny fitondrana velively ny fialàna amin’izany toerana misy azy izany tato anatin’ny roa taona nahateo amin’ny fitondrana azy. Mazava loatra fa mbola hitohy io satria efa izay mihitsy no hainy hatramin’izay. Anisan’ny mampiavaka azy amin’ireo mpitondra hafa teo alohany izany, izay filazany ihany koa izany.