EDITO 5 Desambra – Fitondrana Rajoelina Tsy maintsy ho avy ny singam-bolo handavo ny vositra

Andry Tsiavalona

Tsy mitsahatra mikoroso fahana ny fiainan’ny vahoaka Malagasy ary mirona tsy azo ivalozana any amin’ny fitondrana tsy refesi-mandidy, ny manampahefana eto amin’ity Nosy ity. Miakatra andro aman’alina ny vidim-piainana, mihen-danja isan’andro ny sandam-bola ariary, ka mitombo tsy misy fiafarany ny olompirenena tafiditra ao amin’ny sokajin’ny mahantra fadiranovana.

Mifanohitra amin’izany kosa ny fiainan’ny nahazo fahefana satria mitombo harena isan’andro ary tsy mahita ny toe-javatra iainan’ny eo ambany fahefany. Mandeha fiara raitra sy manara-penitra, mipetraka amin’ny trano tsy azon’ny delestazy sady tsy tapaka ny rano mandavan-taona. Tsy hitan’ny mpitondra izany fako mivangongo manamaimbo tanàna izany. Tsy hifanehitra amin’ny mpanendaka sy mpanao sinto-mahery izany ny manampahefana satria tsy miditra elekelan-trano na miantsena eny amin’ireo tsena voatokana ho an’ny sarababem-bahoaka. Tsy iainan’ny manana mpiambina manokana izany fanafiahan-jiolahy sy famakian-trano ary tsy fandriampahalemana izany. Tsy iharan’ny fanenjehana eny amin’ny fitsarana ireo mpiray tsikombakomba amin’ny fanodinkodinana volam-bahoaka na an-kolaka na mibaribary, satria mihevitra ho eo ambonin’ny lalàna.

Sahiran-tsaina ny olompirenena tsotra, afaka manaraka ny toe-draharaha, manoloana ny fomba fitantanana ity firenena ity satria ny samy andrim-pajakana dia mifanolana sy mifandramatra noho ny tsy fifanajana sy tsy fanarahan-dalàna eo amin’ny fanatanterahana ny asa mifanandrify amin’ny tsirairay. Porofon’izany ny fifanolanan’ireo fahefana mpanao lalàna roa momba ny fandaniana ilay lalàna momba ny fifidianana loholona. Roa taona izao no nilaza ny filohan’ny Repoblika ankehitriny, fa ho foanana ny Antenimierandoholona, fa mandany vola. Mahagaga anefa ankehitriny, fa ny mpikambana ao amin’ny antokon’ny fitondrana no mihazakazaka ho kandidà amin’ny fifidianana loholona, izay ho tanterahina afaka andro vitsy. Tsy adino koa ny fanodinkodinana ny tetibola tokony ho an’ny Antenimierandoholona nataon’ny minisitry ny vola ary nolazainy fa nalefa nanampiana ny mponina any Atsimo tratry ny kere. Tsy misy maharatsy ny fanampiana ny mpiray tanindrazana tratry ny loza tahaka izany kanefa dia mifanohitra amin’ny lalàna fitantanam-bola izany. Tsy fantatr’ireo olomboatendry sy olomboafidy sasany izany tsy mandray karama izany kanefa misy ny mpiasa any amin’ireo orinasam-panjakana tsy misitraka izany karama izany mandritra ny volana maro. Tsy henatra tsy tahotra ny olona nifidy azy ny fangatahana fisotron-dronono ataon’ny solombavambahoaka, kanefa azo lazaina fa toy ny mpiasa ECD izy ireo, ka raha tsy mandoa latsakemboka amam-polotaona dia tsy misitraka izany. Maro ny tsikera sy kiana miantefa any amin’ny mpitondra, raha ny marina dia ilaina izany mba hanitsiana ny fitantanana mibirioka any amin’ny tsy tokony hizorany.

Eo amin’ny sehatry ny fampianarana dia mibaribary tanteraka ny fanaovana anjorom-bala ny zaza malagasy any ambany volo any satria vao tamin’ity herinandro ity ny filohan’ny Repoblika mihitsy no nitokana ny sekoly manara-penitra an-tanàn-dehibe kanefa ny sekoly any amin’ireo tany lavitr’andriana dia tafo lanitra, ny rindrina vita amin’ny volo (bambou), tsy misy dabilio fa mitombona sy mitsingoloka amin’ny tany ny ankizy mpianatra rehefa manoratra.

Ataon’ny mpitondra izay hamiliviliana ny sain’ny mpiray tanindrazana, ka harantiranty izao zavatra rehetra tsy mitondra vahaolana amin’ny fahasahiranana mianjady amin’ny vahoaka izao. Ho avy ny fety faran’ny taona dia vao mainka variana amin’izany ny ankamaroan’ny olona. Miverimberina anefa ny tranga iainan’ny Firenena sy ny mponina ao aminy koa tsara raha mamerin-desona sy mandray ny fanitsiana aroson’ny afaka manao izany ny mpitondra, ka tsy ho sodokan’ny fahefana eo am-pelatànana sy manampatra izany kanefa tsy maintsy ho avy ny singam-bolo handavo ny vositra ho an’izao fitondrana Rajoelina izao.