EDITO 3 Desambra – Fitantanam-pirenena – Mampanahy ny hoavin’ny vahoaka malagasy

Sôh’son

Nanàla ny saron-tavany iray indray ve ity ny fitondrana ity, ka mampiseho ny endriny, raha ny zava-nitranga tany Soavinandriana ireny. Ilay zo fototra maha olona mihitsy no tsy asiana vidiny. Manana zo handeha hivavaka amin’izay toerana tiany ny olom-pirenena tsirairay. Ary na inona na inona fanazavana, dia nanohintohina ny fivavahan’olona sy ny fiangonana ny fitondrana. Ny mpitandro filaminana mieloelo mihainohaino akaiky, na toerana manodidina ny trano fivavahana, na fiangonana dia manohintohina izany. Ilay zo sy hasin’ilay olona sy ny trano fiangonana ary ireo mpivavaka kristiana tao mihitsy no voahosihosy amin’izany, ary natao tsinontsinona.

Nanaitra mafy ny sain’ny mpamakafaka ny raharaham-pirenena sy ny mpandinika maro io tranga iray io, ankoatra izay efa nisy maromaro tamin’ny faritra samihafa amin’ny fihetsiky ny fitondrana. Ity tranga farany tany andrefan’Antananarivo ity no tena mampanahy lalina. Manana ny maha izy azy ny filoha Marc Ravalomanana, ary amin’ny maha filohan’ny Repoblika azy teo aloha dia manana zo hafa koa izy. Eo ihany koa ny an’ ireo kristiana mpino marobe tao amin’ny fiangonana. Raha ireo sokajin’olona roa ireo aza natao izany, inona intsony ny tsy hisainana ny zavatra hafa mavaivay hitranga eto amin’ny tany sy ny fanjakana hanjo ny vahoaka Malagasy? Tsy hampaninona ity fitondrana ity mihitsy ny hanao zavatra hafa famoretana tsy mbola nataon’ny mpitondra hafa. Ity tranga ity àry izao dia tsy mbola nisy mpitondra teo aloha nahavita, fa vitan’ny fitondrana Rajoelina soa aman-tsara ny nisodisody eny amin’ny toerana tsy tokony hanaovana fihetsika toy ireny.

Mazava loatra, fa tsy tokony hiadian-kevitra intsony ny amin’ny resaka demôkrasia eto amin’ny firenena, satria efa mivily làlana miàla tanteraka amin’izany izao fitondrana izao. Sarintsariny fotsiny ihany ny fisian’ireo parlementera, fa baiko avy amin’ny fahefana mpanatanteraka no mihàtra sy tanterahina amin’ny fitantanam-pirenena. Ohatra iray ny nisian’ny dinika teny Mahazoarivo. Ny fahefana mpitsara miezaka tsy ho voatsindry, fa tsy afaka raha ny nambaran’ny filohan’ny holafitry ny mpitsara eto Madagasikara. Miavaka tokoa ity fitondrana ity, satria miseho ho tany tan-dalàna kanefa ipoiran’ny fanjakan’i Baroa toy ny nitranga tany Mahajanga. Ny dikan’izay rehetra izay, mampanahy fatratra ny hoavin’ny vahoaka Malagasy.