SARY TENA MIFANOHITRA

Etsy misy fananganana dobobe filomanosana.
Etsy misy ngezalahy miletra sy miosanosana.
Saingy tsy dia lavitra eo no misy tany tena maina,
Misy mponina mijaly fa kere ka mitaraina!

Etsy misy raikalahy izay manam-be fa tsy mizara,
Ary ny ekolazin-janany efa ho telo miliara.
Saingy tsy dia lavitra azy, misy zaza mitomany,
Anarany ao an-dakilasy fa manoratra amin’ny tany!

Etsy misy mpanambola faly ny mihetraketraka.
Misy olona voafidy saingy tsy mahay mipetraka.
Eo ambaniny eo anefa, misy ireo ampijaliany,
Ka ravàny ny fananany sady anaovany izay tiany!

Etsy misy antokon’olona eo an-dalam-piketrehana
Zavajava-tsisy dikany, tsy laharam-pahamehana.
Tsy dia lavitra azy anefa, be ireo matin’ny mosary,
Fa tsy mahavidy intsony ny iray kapoakam-bary!

DADAN’i ZINA (27-11-20)

Rohy:
FB Malagasy en France
https://www.facebook.com/250846075055823/posts/1839659079507840
FB Malagasy Mijoro
https://www.facebook.com/845024309218015/posts/1227599510960491
Mediapart – Les coûteuses études d’Arena Rajoelina, fils aîné du président malgache
https://blogs.mediapart.fr/goodmorningmada/blog/301020/les-couteuses-etudes-d-arena-rajoelina-fils-aine-du-president-malgache