Tosika Fameno sy Tosika Tsinjo – Tsy hita akory izay feno sy voatosika hoy Ravalo

Helisoa

Tany Tsiroanomandidy faritra Bongolava indray omaly zoma 27 novambra ny filoha Marc Ravalomanana. Nandritra ny fandalovany tany an-toerana dia nitafa tamin’ny olona teny andalam-be sy an-tsena izy mialohan’ny fandraisana azy tao amin’ny FJKM Ziona Tsiroanomandidy.

Mahafaly sy mahafinaritra ahy mandrakariva hoy ny filoha Marc Ravalomanana ny mitety ity Nosintsika ity, mahita hatrany izay tena iainan’ny vahoaka. Ny zavatra hita sy tsapa hoy izy dia ny fahasahiranan’ny vahoaka, ny fitarainan’izy ireo ny amin’ny fisondrotan’ny vidim-piainana, ny vidim-bary, ny fidinan’ny sandam- bola malagasy, ny tsy fisin’ ny asa ho an’ny tanora ary indrindra ny tsy fandriampahalemana. Tsy ao anatin’ny laharam-pahamehan’ny fanjakàna anefa izany fa izay metimety aminy no ataony. Natao avokoa ny resaka tosika fameno, tosika tsinjo, nefa tosika nankaiza izany? tsy fantatra hoe iza no feno sy voatosika tamin’izany.

Fa nasian’ny filoha Marc Ravalomanana resaka manokana ny vary izay foto-tsakafon’ny Malagasy satria tena lafo dia lafo ny vidiny ankehitriny tsy takatry ny fahefa-mividy intsony. Teo ihany koa ny resaka tsy fisian’ny rano izay tena efa mampikaikaika tokoa any amin’izay toerana aleha rehetra. Fa na izany aza ny zava-misy eto aminareo vahoaka eto Bongolava dia hita taratra ny fitia mifamaly teo amiko sy ianareo, izay feno fifaliana rehefa tafahoana indray hoy ihany i Dada.

Sady faly no velom-panantenana indray ireo mponina tany Tsiroanomandidy . Na dia tampoka aza ny fahatongavan'ny filoha Marc Ravalomanana tany an-toerana dia maro ireo vahoaka nandray azy

Publiée par Arp Helisoa sur Vendredi 27 novembre 2020