EDITO 26 Novambra – Fitondrana Rajoelina – Miseho hiavaka amin’ny hafa nefa tsy afaka

Sôh’son

Mampanahy ny seho amin’ny toetrandro eto Madagasikara amin’izao fotoana izao. Miha-miakatra ny maripanan’ny hafanana, indrindra ho an’ny faritra vitsivitsy any atsimon’ny Nosy. Misy fiantraikany amin’ny fiainana andavanandron’ny mponina any an-toerana izany. Ny eto an-drenivohitra sahirana amin’ny hafanana sy ny tsy fahampian-drano, indrindra any amin’ireo kaomina manodidina. Any amin’iny faritra andrefan’Antananarivo renivohitra iny izao, dia miharitra ny rano amin’ny lavadrano, izany hoe efa tsy antenaina intsony ao anatin’izany ny ranon’ny Jirama. Efa miditra amin’ny fitsitsiana ny rano misy ao aminy avy ny maro ary miahotra manome ny mpiara-monina akaiky. Ho olana lehibe vaovao hipoitra eto amin’ny firenena indray koa ve io trangan-javatra io? Tsy mbola adino ny fahamehana tamin’ny resaka famatsiana rano teto an-drenivohitra sy ny manodidina tamin’ny andro nitondran’ny filoha Rajaonarimampianina, taona vitsivitsy maromaro lasa izay. Efa nanomboka tsy niantehitra tamin’i Mandroseza, fa nitodika tany Tsiazompaniry sy ny hafa. Tantara ratsy iny teo amin’ny fiainam-bahoaka. Amin’izao fotoana izao hanao ahoana izy ity?

Raha jerena amin’ny ankapobeny izany, dia tsy ampy rano fisotro madio ny vahoaka Malagasy. Toy izany ihany koa eo amin’ny fampiasana rano amin’ireo filàna maro samihafa andavanandro. Mahavariana ihany ny fidedahana atao ao Toliara amin’izao fotoana izao amin’ny fanamboarana dobo filomanosana izay ambara ho atao tena lafatra. Tsy hafahafa be ihany ve izany, hoe etsy misy toerana natao ho feno rano hilomanosana ary hireharehana, etsy ankilany izay tsy lavitra misy mponina mitakoko tsy ampy rano na dia hivelomana aza. Misy mponina tandindonin-doza amin’ny hanoanana sy tsy fanjariana ara-tsakafo nefa ery andaniny misy olo-maventy miseho ho afaka manao asa sosialy mitsinjo mpianatra afa-panadinana sy mendrika. Ery ankilany misy olombitsy olomboafidy sy olom-boatendry ifotorana izay hanomezana fahafahampo azy amin’ny karamany sy ny tombontsoany, nefa etsy andaniny misy mpiasa madinika andrasana tsara izay handoavany trosa kely nampindramina azy ary tsy maintsy aloany amin’ny taona ho avy, ary toy izany koa ny an’ireo mponina mpanjifa amin’ny orinasa Jirama, izay tsy maintsy mandoa ny vola tsy naloany tao anaty fihibohana sy ny krizy ara-pahasalamana.

Sehona krizy ara-tsosialy vaovao izany manampy ireo efa olana goavana mamely sy mandaroka ny sarambabem-bahoaka andro aman’alina. Niseho ho babany miohatra amin’ny fitondrana rehetra nifandimby teto amin’ny firenena hatramin’izay izao fitondrana ankehitriny izao. Tsy hita loatra anefa izay tena fahaizany mitondra firenena ka iavahany amin’ny hafa manoloana ireo olam-bahoaka ireo, olana izay azo lazaina fa tsy misy voavahany.