Mamangy Norbert dit Jack – Nidina ho 1 hetsy Ar ny vidin’ny lavanila tato anatin’ny 3 andro

Franck Razakambelo

Nidina ho 100.000 Ar isaky ny 1 Kilao ny vidin’ny lavanila any amin’ny Distrikan’i Sambava, faritra Sava tao anatin’ny 3 andro, raha toa ka 200.000 Ar izany teo aloha.

Nilaza ny Solombavambahoaka Mamangy Norbert dit “Jack”, fa mijaly sy sahirana ny vahoakan’i Sambava amin’izao fotoana izao ary tokony hisy fepetra ho raisin’ny fitondram-panjakana amin’ny fampiakarana ny vidin’ny vokatra lavanila any an-toerana. Nanamafy ity Solombavambahoaka voafidy tany amin’ny distrikan’ i Sambava ity, fa tsy misy resaka politika izao lakolosy fanairana ho an’ny fitondram-panjakana izao ary tsy misy resaka fanoherana ihany koa, fa filazana ny hetahetam-bahoaka any amin’ny faritra nahalany an’ireto olom-boafidy ireto: ao anatin’izany ireo mpamboly, ny mpamokatra, ny mpandraharaha ny vokatra lavanila.

Nilaza ny Solombavambahoaka Mamangy Norbert, fa efa betsaka ireo dingana efa natao ho fanairana ny tompon’andraiki-panjakana, anisan’izany ny fihaonana amin’ny fahefana mpanatanteraka teny anivon’ny Antenimierampirenena, ny fihaonana tamin’ny Ministera mpiahy, ny fiakarana tamin’ny haino vaky jery, kanefa mbola tsy nahitam-bahaolana izany rehetra izany hatreto.

Mandroso vahaolana ity Solombavambahoaka voafidy tany amin’ny renivohitry ny faritra Sava ity, fa tokony ho foanana ny « Prix planché » mitentina 250 Dollar eo ami’ny tsenan’ny Lavanila eto Madagasikara, fa mampihemotra an’ireo Mpandraharaha vahiny hividy ny vokatra eto an-toerana izany ary mandrisika an’ireto farany hanjifa Lavanila any amin’ny firenen-kafa. Tokony homena sehatra koa ireo mpandrahara any amin’ireo distrika mpamokatra Lavanila, satria ireto farany no mahafantatra ny aty vilany mikasika an’ity sehatr’asa ity ary mampalahelo ny mahita an’ireo olona tsy mpanao Lavanila kanefa manao izay danin’ny kibony amin’ny fandraharahana an’ity vokatra ity. Miantso fifampidinihina an-databatra boribory ireo olom-boafidy sy ny mpandrahara ary ny fitondram-panjakana, mba hijery vahaolana hamahana malaky an’ity vidin’ny Lavanila ity.

Nanohy fanazavana ny Solombavambahoaka Mamangy Norbert, fa niezaka niantso an’ireo namana olom-boafidy any amin’ny tany mpamokatra Lavanila, mba hiara-hientana amin’izao fitakiana izao koa izy, kanefa tsy nisy nanohina ny antso.

Tsiahivina, fa fampanantenana nataon’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina nandritra ny fampielezan-kevitra ny fampikarana ny vidin’ny Lavanila ho 3 avo heny. Aiza anefa izany ankehitriny? Efa 1.400.000 Ar na 7.000.000 Fmg ny kilaon’ity vokatra ity tamin’ny taona 2018, nitontongana ho 100.000 Ar anefa izany amin’izao fotoana.