Fanakatonana sisintany – Mifanipaka be ihany ny fanapahan-kevitra misy

Fanakatonana ny sisintanin’i Madagasikara, mifanipaka be ihany amin’izao fotoana ny fanapahan-kevitra raisin’ny mpitondra.

Raha araka ny fanambarana navoakan’ny Ambasady Malagasy any Paris Frantsa omaly, miato hatrany ny sidina fampodiana (vols de rapatriement) sy ny fahazoan-dàlana miditra ny sisintanin’i Madagasikara hoa an’ ireo teratany Malagasy na vahiny, afa tsy ireo mpizahantany tonga ao Nosy-Be ary ireo mpizahantany tonga ao dia tokony tsy hahazo hivoaka an’ity distrika ity.

Ny mifanohitra amin’izany anefa no zava-misy momba ilay mpihira malaza avy atsy Afrika Atsimo, mihira ilay hira malaza hoe: “Jerusalem”, inona izany no sata azon’ity mpihira ity nahafahany nivoaka an’i Nosy-Be, ka nankany Sambava sy Toamasina ary mbola ho eto Antananarivo izy.

Tena misy fanapahan-kevitra tsy milamina mihitsy ao ambony ao, mila ny Bianco hanao fanadihadiana koa mahakasika izany, satria misy kolikoly avo lenta ao matoa ity mpihira Afrikana Tatsimo ity tafiditra aty amin’ny “Tanibe”, ivelan’i Nosy-Be.

Ankoatra izany, araka ny fanambarana nataon’ny Masoivoho Malagasy any Paris ihany, tsy misy fahazoan-dalana azo omena ho an’ireo Malagasy any ivelany ka te hody, sy ireo vahiny monina sy miasa eto amintsika ka te hiverina eto, na any Nosy-Be izany, na aty Antananarivo.

Ireo diplaomaty voatendry hiasa eto amintsika kosa dia voalaza, fa afaka miditra an’i Madagasikara hamonjy ny Masoivohony eto, izay toerana hiasany. Ireo olona maromaro nanaovana fanadihadiana mahakasika ity fanidiana, sy tsy fanidiana sisintany ataon’ny fitondrana Rajoelina ity dia samy nanambara avokoa fa tsy matotra mihitsy ny fitondrana misy ankehitriny.