Fifidianana senatera peta-toko – Tsy fahita eran-tany ny Loholona miisa 18

Ny Valosoa

Ho tanterahina ny 11 Desambra 2020 ny fifidianana ireo “loholona”, mpikambana ao amin’ny Antenimierandoholona, iray amin’ireo fahefana mpanao lalàna. Efa mazava ny fanapahankevitra noraisin’ny Antoko Tiako i Madagasikara sy ireo antoko maro sahy mijoro ho mpanohitra, fa tsy mankasitraka ny fifidianana peta-toko, sady tsy handrotsaka olona ho fidiana ry zareo no tsy handeha hifidy ihany koa ireo olomboafidy lany tamin’ny anaran’ireo antoko manana hazondamosina ireo. Koa inona moa izany fa tsy raharahan’ny samy mpankasitraka ny fitondrana io fifidianana io.

Ingahy Filoha ankehitriny fony nifanatrika tamin’ny Filoha Ravalomanana nandritra ny fampielezankevitra tamin’ny fifidianana filohampirenena fihodinana faharoa dia niedinedina ery nanambara fa ho ravany hono ny Antenimierandoholona raha izy no voafidy, kinanjo tsy tontosa izany satria ny lalàna dia tsy nahafahany nanao izany, hany faraheriny dia ny nampihena ho 18 ny isan’ireo “loholona”, ka ny 12 no ho fidiana, ny 6 izay iray isamparitany dia tendren’Ingahy Filoha.

Voan’ny heviny sady voafatotry ny lelany Ingahy Filoha, satria fatiantoka ho azy ny fihenan’ny “loholona”, raha ny isan’ireo ben’ireo tanàna sy ireo mpanolotsainan’ny tanàna handray anjara amin’ny fifidianana dia azo antoka fa hahazo ny maro an’isa ny antokon’ny fitondrana, kanefa efa nisy ny vava latsaka sady efa nankatoavin’ny Hcc ny isa 18 tsy azo ampitomboina intsony fa dia tsy maintsy miharitra amin’io.

Misy ny tranga tsy fahita erantany raha tsy eto Madagasikara, raha mandinika ny tarehimarika amin’ireo mpikambana amin’ny andrimpanjakana misy eto amintsika. 18 no isan’ny loholona, izay hanana filoha 1, filoha lefitra 1 isamparitany manome ny isa 6 izany, mpampaka teny 2 ary kestora 2, ny fitambaran’ireo amin’ny birao maharitra izany dia mahatratra 11, ny “loholona” tsotra tsy birao maharitra dia 7, izany hoe ny isan’ireo mpikambana ao amin’ny birao maharitra dia betsaka noho ireo mpikambana tsotra, raha ampitahaina amin’ny andrimpanjakana hafa toy ny fahefana mpitsara na ny Hcc dia antsasaky ny isan’ireo “loholona” ny isan’ireo mpikambana ao amin’ny Hcc izay 9, ireo “loholona” araka ny voalaza ao amin’ny lalampanorenana no miahy ny fampandrosoam-paritra, ny isan’ireo “loholona” anefa dia vitsy noho ny isan’ny faritra misy eto Madagasikara, izay 22 ary mety hiakatra 23, 2 isamparitany ireo “loholona” fidiana kanefa ny faritany iray dia ahitana faritra 3 farafahakeliny, ary raha ampitahaina amin’ny isan’ny solombavambahoaka, izay samy fahefana mpanao lalàna dia ”loholona” 1 ho an’ny solombavambahoaka 8 na 9, ny antom-pisian’ny fahefana mpanao lalàna 2 samihafa anefa dia ny isian’ny fifandanjankery sy ho arofanina amin’ny fanamparampahefana ataon’ny fahefana mpanantateraka. Ekena tsy azo ifandirana fa tokony ho vitsy noho ny isan’ny solombavambahoaka ny isan’ny “loholona”, fa raha mifanalavitra diso tafahoatra dia efa tsy izy intsony.

F’ity no tena mahatsikaiky, raha ampitahaina amin’ireo rafitra hafa ivelan’ny andrimpanjakana toy ny birao handrafitra ny Holafitry ny Mpanao gazety amin’ny endriny manaraka eo ny isan’ny “loholona” 18 dia tena tsy fahita erantany, satria ny holafitra hitsangana eo dia hisy filoha lefitra 1 isamparitra , 22 ny fitambarany, mpanolotsaina 1 isamparitra 22 ihany koa ny fitambaran’ireo , izay dia efa mahatratra 44, ny isan’ny mpanao gazety any amin’ny faritra sasany anefa zara raha misy 10 na 20.

Eto ampamaranana dia hamafisina fa ny antsoina hoe “loholona” any amin’ny fiangonana dia ireo diakona nahavita be teo amin’ny fampandrosoana ny asan’Andriamanitra, ireo sokajin’olona mendrikaja natao hijoro raha misy ny tsy mandeha amin’ny laoniny, fa sanatria tsy natao ho fitaovana ho mpanamarina ny tsy mety, asa raha ho toy izany ireo ho “loholona” 18 , enga anie ka tsy ho rambon’olona.