EISY E RY VOLOMBOASARY!

Mba mieritrereta ry volomboasary,
Satria efa tena ampangain’ny sary
Ireo olonareo, tsisy henatra intsony
Fa dia miady lava, mifanao lonjony!

Tsy menatra ny mifanala baraka.
Mifanasa vangy, mifamely daka.
Mba olom-boafidy, mba olom-boatendry
Nahita fianarana, saingy tsy hendry!

Mba lohany nefa tsy mety ho modely,
Fa dia miady lava tahaka ny angely.
Tsy vavy tsy lahy fa indreo mifamely.
(Tsy menatra ve ianareo ry boaikely ?)

Mba mieritrereta ianareo ao an-dapa,
Raha toa efa jamba ka tsy mahatsapa
Fa loko mandoza sy efa fanary,
Ity loko marevaka, volomboasary!

Tsy hoe tsy fitiavana na fanenjehana,
F’io ilay hoe “lokon’ny fanapotehana”.
Izay mba natsangany, ‘ndeha re tazano
Fa tena nampiditra loza sy angano!

DADAN’i ZINA (20-11-20)