EDITO 21 Novambra – Fiainam-pirenena – Fisavoritahana maneho tsy fahaiza-mitondra

Sôh’son

Endrika mikorontana no fijery ny zava-misy eo amin’ny fiainana andavanandron’ny sarambabem-bahoaka sy ny fitantanam-pirenena. Tsy hita be ihany ny andraisana ny raharaha amin’izao fotoana izao, ary na manam-pahaizana toy inona aza dia ho sahirana tokoa hamaritra ny zava-misy. Sarotra ny isainana ny amin’ny hoe: ny any am-piangonana, mbola ferana 200 ny isan’ny miara-mivavaka indray mandeha, toy izany koa izao ny hamerana ny isan’ny manatrika ny fotoan-dehiben’ny Fjkm eny Antsahamanitra amin’ny Alahady tolakandro izao. Etsy ankilany anefa, nifanitsa-kitro mihitsy ny vahoaka nifaly taorian’ny lalaon’ny Barea tamin’ny talata teo tany Toamasina, ary nanatrika izany mihitsy ny filohan’ny Repoblika Rajoelina. Tsy nisy nivaky loha tamin’ny fepetra napetraka toy ny fanajàna ny elanelana tao anatin’izany. Misy ny mbola manaja amin’ny fitondrana ny arotava, ary misy mbola terena na arahi-maso, fa misy koa anefa ireo tsy miraharaha izany intsony. Ny eny anaty taxibe, efa tsy manao ny « visière » intsony ny mpamily sy ny resevera, ny gel anefa tsy asian-teny intsony, fa azo isaina amin’ny rantsan-tanana sisa no hany mampiasa izany. Sarotiny mafy anefa ny mpitandro filaminana amin’ireo taxibe manao mihoatra sy mametraka mpandeha amin’ny seza afovoany. Toe-javatra mikorontana tanteraka izany.
Miseho ihany koa izany eo amin’ny fitantanam-pirenena. Misy andrimpanjakana mitaraina fa tsy mahazo ny vola iasàny, ary tsy nahazo valiny nahafapo; misy kosa hafa vao mitabataba kely fotsiny dia nihazakazahana tsy niandrasana ela ny namaha ny olana.

Izay no seho anisany mampiavaka ity fitondrana Rajoelina ity ary mety ilazàny, fa hafa noho ireo fitondrana rehetra teo alohany izy. Toe-javatra mikorontana, fa tsy hita soritra mazava ny zotra itantanana ny firenena. Tsy milamina ny fitantanana ny vahoaka amin’ny fanaovana fitondra-mitanila, amin’ny misy iangarana omena tombony amin’ny fanomezana na fanampiana, fa misy tsy hamakiana loha firy amin’izany; nisy aza tsy nahazo mihitsy nefa sahirana mafy tokoa tao anatin’ny fihibohana ary mbola misy iharan’izany mandraka ankehitriny. Mirefarefa ny fiheverana izay sahy milaza fa tena miasa sy manao ity fitondrana ity. Ireny ilay olom-bitsy tia tena, fa tsy mijery ny mpiray tanindrazana aminy manontolo. Raha tena toy izany ny fitondrana tsy nisy ireo tranga mikorontana na misavoritaka ireo. Aiza no hisy izany hoe manam-pahefana manohitra manam-pahefana lehibeny toy ny niseho tany Mahajanga ireny.

Mazava loatra, fa ny akon’izany tsy fahaiza-mitantana izany, dia hisy fiantraikany ratsy hatrany amin’ny fiainam-bahoaka. Handrorona ihany koa ny fampandrosoam-pirenena. Ary ilay hoavin’ity firenena ity mihitsy no hampanahy.