EDITO 19 Novambra – Am-piainanan’ny mpitondra ny tsy sahaza azy ny vahoaka Malagasy

Sôh’son

Vahoaka tsy mahazo ny sahaza sy mendrika azy isan’andro eo amin’ny lafiny sakafo, fanabeazana, fahasalamana, filaminan-tsaina, fihariana, fifaliana, sns… eo amin’ny tanindrazany ny vahoaka Malagasy, raha ny zava-misy iainany amin’izao fotoana izao. Manampy trotraka izany ny fiezahan’ny mpitondra hifehy azy tsy hanam-pahalalahana sy fahafahana miaina malalaka toy ireo vahoaka any amin’ny firenena mahay mampiasa ny tena atao hoe demôkrasia.

Fihatsarambelatsihy no betsaka eto raha miresaka ity demôkrasia ity. Miendrika fampilalaovana ny vahoaka fotsiny amin’ny teny tsara lahatra sy fanaovana azy ho toy ny zazabodo sy bado ny filazana io teny io eto. Aoka hazava ny resaka, fa tsy misy demôkrasia izany eto raha mbola tsy misy ny fahalalahana miteny sy maneho hevitra. Izany anefa no miseho eto, indrindra niharihary io trangan-javatra io tato ho ato. Ary nanaitra ny sain’ny mpanara-baovao maro sy mpamakafaka ny raharaham-pirenena ny filazan’ny manam-pahefana, fa hofehezina ny hetsiky ny mpanohitra. Midika izany, fa tsy tany demôkratika i Madagasikara. Ny hetsiky ny mpanohitra izany any amin’ny tany mandroso sy efa manana toe-tsaina malalaka, dia mamela azy hanatanteraka ny ataony, fa ny ataon’ny mpitandro filaminana dia ny manao aroriaka fotsiny ihany eny amin’izay toerana alehany. Hita matetika izany, na any Frantsa iankohofan’ny mpitondra sy alainy tahaka aza. Ny eto amintsika vao mihetsika ny mpanohitra, dia efa ratsy ny sain’ny mpitondra. Tsy mahazaka demôkrasia. Asan’ny mpanohitra anefa ny mitsikera ny fitondrana.

Anisan’ny asongadin’ny fikambanana samihafa, ary misy ireo tena manizingizina, fa voahitsakitsaka ny zon’olombelona eto Madagasikara. Mahazo vahana ny tsy rariny “injustice” atao amin’ny vahoaka, ary ny fitondrana no manao izany, raha ny nambarany. Mandeha izany tsikera mavesatra izany, fa tsy hita mihitsy izay ezaka ataon’ny fitondrana ho amin’ny fanatsarana ny fiainam-bahoaka. Iaraha-mahita tsara izany amin’izao fotoana izao. Zaran’ny fitondrana aza misy toy ireny lalao baolina kitra ataon’i Barea ireny hahavery dia ilay vahoaka tsy hifantoka amin’ny tsy fahombiazan’ny fitondrana amin’ny andraikiny. Tsy isan’andro anefa no hisy toy ireny, fa tsy maintsy miatrika ilay fahasahiranana ara-tsosialy amin’ny fiainany andavanandro ilay sarambabem-bahoaka. Tsy maintsy miatrika ary tsy maintsy miady, mba tsy ho resin’ny fiainana.

Vahoaka teren’ny fahasahiranam-piainana ary mbola terena hiafiafy ihany koa eto an-tanindrazany ilay vahoaka malagasy. Misy mikendry izany mandrakariva sy mahazo tombontsoa amin’izany ao ambadika ao.