Tatitra sy diabe – Fahombiazana ny hetsiky ny mpanohitra tany Antsirabe

Ny Valosoa

Fitetezam-paritra andininy faha-dimy notarihan’ireo solombavambahoaka sy loholona, miaraka amin’ny vondrona Panorama sy ny RMDM ny notanterahina tao Antsirabe ny sabotsy teo. Tonga navitrika ary tsy latsaky ny roapolo ireo parlementera tany.

Araka ny nampoizina tamin’ny tranga tany Mahajanga sy Fianarantsoa, dia nahazo baiko indray ny mpitandro filaminana hanakana ireto olomboafidy hanao ny asany araka ny voafaritra ao amin’ny lalampanorena, izay hanao tatitra amin’ny vahoaka manaraka ny fivoriana ara-potoana eny amin’ny Antenimiera. Tsy navela niditra ny kianja mifefy an’ny Magro Avaratsena ireo olomboafidy sy ny vahoaka liana hihaino vaovao marina ary voasakana teo amin’ny arabe ny olona an’arivony namaly ny antso. Tontosa teo ihany anefa ny tatitra ary tao aorian’izay aza dia mbola nitohy tamin’ny alalan’ny diabe nataon’ireo parlemantera sy ireo mpanao politika mpanohitra izany.

Toy ny mahazatra dia nisy ny fandaharana manokana niarahan’ireo haino aman-jery mirahavavy mikasika ny fanadihadiana ny zava-niseho nandritra ny andron’iny. Nivahiny manokana tamin’ny fandaharana ny loholona Mamitiana Fabergé voafidy tamin’ny faritanin’i Toliara, niaraka tamin’ny mpanao gazety Vonison Andrianjato, sy ny depiote Hanitra Razafimanantsoa ary ny depiote Fidèle Razara Pierre.

Novelabelarin’ny loholona Fabergé ny fanitsakitsahana misesy ataon’ny fitondrana. Tetibola anaty ny lalàna natao hampihodinana ny Antenimierandoholona dia efa lany, kanefa raisin’ny ministry ny tetibola ny fitantanana ny famoahambola, ampifilafilaina, itsabahana, ampiasaina amin’ny zavatra hafa toy ny Oniversite na hanampiana vahoaka any Atsimo. Lainga daholo anefa izany satria misy fepetra tsy maintsy arahina, toy ny fandalovana ny filankevitry ny governemanta. Manjary toy ny tsenakely ny fitantanana ny firenena. Amin’izao fotoana hitenenana izao dia mbola tsy tonga foana ny tetibolampanjakana 2021 (LFI), izay tokony hodinihina ao amin’ny Antenimierampirenena. Misy paikady maloto avy amin’ny fitondrana hampihenàna ny fe-potoana, izay tokony ho tonga 60 andro ary fara-fahatarany 30 andro, handinihan’ny Antenimierampirenena izany, ary dinihan’ny Antenimierandoholona mandritra ny 15 andro.

RN44. Any amin’ny 2023 any angamba vao ho vita.

RN7. Adiny roa ny lalana mampitohy an’Antananarivo sy Antsirabe tamin’ny fotoana nitondran’ny filoha Marc Ravalomanana. Ankehitriny dia adiny efatra raha fiara 4×4, ary adiny dimy izy izao ny anaovana ny 168km.

RN13. Raha tsy manombaka amin’ny volana Janoary ny asa araka ny nolazain’ny filoha dia tsy hanao politika intsony ny tenany. Ampatsiahivina anefa fa ny fifanarahana tamin’ny BAD sy ny vondrona Eoropeanina, dia tamin’ny andron’i Hery Rajaonarimampianina no efa voasonia ny fifanekena amin’ny tapany Fort-Dauphin-Ambovombe. Tsy mahay izany fitohizan’ny fitantanana na ‘continuité de l’Etat’ izany ny fitondrana. Ny tena manahirana anefa dia Ambovombe-Ihosy. Dia ho hitantsika eo ny fanambin’ny filoham-pirenena, izay averina fa ‘continuité de l’Etat’ io.

Fitsaràna Avo (HCJ). Misy mandeha any amin’ny serasera miaro ny filoha ao afara ho tsy azo enjehina. Mbola tsy niseho teo amin’ny Antenimierampirenena aloha fa raha tokony hivoaka izany dia fanaovana volavolan-dalàna tsinontsinona ny olona mpahay lalàna mihitsy.
Kere. Anaty ny distrika fito izay mandrafitra ny faritra Anosy sy Androy, dia noana daholo ny vahoaka ao anatin’io faritra io. Tsy misy olona azo isaina ao hoe iza no omena ary iza no tsy omena. Mitovy zo amin’ny olona rehetra ireo fa tsy hoe tsy mendrika hihinambary izy ireo fa dia mangahazo fotsiny.

Governora Vakinankaratra Vy Vato. Manao dokambarotra miady amin’ny kaominina, manao didikofehy lehibe. Miady voninahitra amin’ny solombavambahoaka, ben’ny tanàna. Teny ratsy sy avonavona no nataon’ny governora Vy Vato tamin’ny solombavambahoaka.

HCC. Manao raharahan-gasy. Raha raisina ohatra momba ny lalàna mikasika ny serasera dia voasoritra hoe ny fivoriana tsy azon’ny be sy ny maro atrehina dia tsy azo atao ny mamoaka azy an-gazety. Ny mifanohitra amin’izay anefa no novain’ny fitondrana Rajoelina, ka hoe azon’ny mpanao gazety indray ny mivohy ny vaovao. Rehefa resy tosika izy ireo teo amin’ny Anteniemierandoholona dia eny anivon’ny HCC indray izy no manindry, mampilaza fa tsy manaraka lalampanorenana ny volavolandalàna. Kanefa ny mifanohitra amin’izay no lalàna nampiasaina tamin’ny fitondrana Rajaonarimampianina.

Horonantsary MBS – Hetsika Antsirabe Sabotsy 14 Novambra 2020