EDITO 17 Novambra – Fanarenana ny toekarena – Tsy ampy ny finiavan’ny mpitondra

Sôh’son

Tsy mbola afaka amin’ny fatotry ny lamina ara-toekarena erantany novolen’ireo firenen-dehibe matanjaka sy manan-karena, ireo firenena mpamokatra akora sy vokatra ara-pambolena. Ezahin’ireo firenen-dehibe ireo rahateo, ny ihazonana io sary mety aminy io mandrakariva ary tereny hanaraka ny fitsipi-dalaony ao anatin’ny antsoiny hoe “fanatontoloana”.

I Madagasikara dia iaraha-mahalala fa firenena ao anatin’izany geja izany tanteraka ary indraindray manahirana, fa ny mpitondra mihitsy no miseho haharaka izany hazakazaka izany na dia kely endaka sy hery aza. Tsy mijery ny any an-tsikinana vao miady varotra? Dia niaraha-nahita ny niafaran’ny, ohatra raisina, ny tambavy amin’ity ady amin’ny covid-19 ity eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Niaraha-nandre ny fiheveran’ny any ivelany izany, sy ny momba ity tambavy gasy môderina ity amin’izao fotoana izao. Nikaro-kevitra hafa indray Rajoelina sy ny ekipany amin’ny famokarana azy io amin’ny endriny hafa. Dia mbola iaraha-mahita ihany koa ny zava-misy amin’ireo vokatra vaovao nataony. Ny niafaràny nanangana trano lazainy hoe lehibe amin’ny famokarana fanafody. Hatraiza anefa ny fiantraikan’izany na eto amin’ny firenena sy indrindra any ivelany. Ny any ambadika no tsy hita sy tsy fantatra. Tsy misy rahateo ny mangarahara sy ny marina raha eto amin’ity firenena ity tao anatin’izao fitondrana izao.

Toekarena mifototra amin’ny fambolena sy fiompiana ny toekarena Malagasy. Anisan’ny firenena mpanondrana ny vokatra avy amin’izany izy. Tsy hita mazava anefa ny fifotoran’ny fitondrana amin’izany, fa mbetika ny asa manao taridrano an-kilahila. Tsy hita mazava ihany koa ny rindran-damina eo amin’ny fifandraisana sy fiaraha-miasa ho amin’ny fihatsaràna sy fanaingàna ny toekarena eo amin’ny mpisehatra fototra eto amin’ny firenena miatrika ny tsena iraisam-pirenena. Ohatra amin’izany ny vokatra lavanila. Ny resaka re aza dia misy ny manao politika maloto ao anatiny satria mikasa hanao ampihimamba ny varotra. Re mandrakariva koa ny olana manjo ny mpamboly mpamokatra, na eo amin’ny lafiny tsy fandriampahalemana na amin’ny vidim-bokatra. Tsy hita mazava ny fivoarana ho amin’ny fihatsaràna na dia ambara ho misy aza ny vahaolana apetraka.

Eo am-panarenana ny toekarena nihotsaka lalina isika ankehitriny. Lasa vilian-tsahona ny paik’ady nambara ho amin’izany, izay nasalotra anarana mipoapoaka nindramina tany ivelany. Miharihary fa tsy ny anarana akory no inona, fa ny toe-tsain’ny mpitondra sy ny finiavany mihitsy hifofotra marina hahasoa ity firenena ity no tena zava-dehibe. Raha mbola mifangaro kajikajy politika toy ny natao hatramin’izay ihany no ataony amin’ny fomba fiasany dia hihodinkodina fotsiny eto isika, ho toy ny akoho mivoaka maraina fa tsy lasa lavitra.