EDITO 14 Novambra – Ny fanjakàna nametraka ny lalàna ihany anefa no manohitra ny didy navoakany

Nanao fanambaràna ny fitondram-panjakàna fa na tsy ao anatin’ny hamehana ara-pahasalamàna aza i Madagasikara dia tsy azo atao ny mamory olona mihoatra ny 200. Eo koa ny filazàna fa tsy maintsy manao arovava sy orona ny olona rehetra rehefa mivoaka ny trano, sazy henjana no mahazo raha vao manohitra izany.

Ny fanjakàna nametraka ny lalàna ihany anefa no manohitra ny didy izay navoakany ankehitriny. Hita izany nandritra ny lalaon’ny Barea ny alakamisy teo raha tsy hiteny ny zavatra akaiky isika. Nisy ny famalifaliana olona indray izay fahaizana manokan’ity fitondràna ity, nandritra ny lalaon’ny Barea ny alakamisy teo. Nisy ny famoriana olona marobe tao amin’ny lapan’ny Tanàna nanerana ny renivohi-paritàny teto Madagasikara toy ny tany Fianarantsoa, Antananarivo, Mahajanga sns… Maninona raha mamoaka fanambaràna fotsiny ny fanjakàna hoe efa azo atao amin’izay ny mamory olona dia tsy olana e! Satria rehefa mampetipety ny fitondrana dia tsy maninona na mamory olona aza.

Vao nampiaka-peo izao ny mpanakanto Malagasy izay voatery nanafoana ny fiakarana an-tsehatra tokony ho nataon’izy ireo satria hoe tsy mahazo mamory olona mihoatra ny 200, fa lasa fatiantoka ho azy ireo fotsiny. Amin’izao anefa hisy ny fampisehoana ataon’ny artista avy any ivelany ilay mihira ny hira malaza JERUSALEM hanerana ny faritra maromaro eto Madagasikara. Manoloana izany, tezitra ny artista Malagasy ka manontany tena hoe ‘rehefa ny avy any ivelany ve izany dia afaka mamory olona mihoatra ny 200?

Ny mpanohitra moa efa tsy lazaina intsony, na efa miteny aza fa hanaraka ny fepetra ara-pahasalamana dia tsy mahazo alalana hamory olona mihintsy. Miaramila mitam-basy no mibahana ny toerana hivoriana. Ho hita eo ny anio sabotsy any Antsirabe, fa eo isika mahita izy .