NANKAIZA NY BEN’NY TANANA ?

Nankaiza nankaiza ny Ben’ny tanàna?
Tavela any ho any sa lasa any ampita?
Ny fako miavovona efa igagana.
Mikimpy izy sa dia minia tsy mahita?

Nanidina fotsiny ve irony teny
Natao tao anaty propagandy,
Sa fitaka fotsiny ny toy ireny,
Fanaon’olom-petsy sy tena mavandy?

Nankaiza nankaiza ireo fiara vaventy
Natao dokambarotra nanakoako?
Ny lokony foana no natao nirenty,
F’angaha tsy natao mba hitaomana fako?

Ny vola lamandy sy sazy no betsaka,
Nefa ireo lalana ratsy dia ratsy.
Mampiakatra feo iretsy fiarakaretsaka
Hoe hisy hetsika hataony atsy ho atsy !

Ny Ben’ny tanàna, tsy mahatanty kiana,
Kanefa efa miakatra ny maripana.
Nahazo ny seza vao tra-pahoriana,
Misedra ireo olana tsy hainy vahana !

… Manohy ny di-doha fa tsy laitra rarana
Ka ho afa-baraka amin’iretsy mpanohitra?
Raofy ny fako ry Ben’ny tanàna
F’andraikitrao ‘zany amin’ity renivohitra !

DADAN’i ZINA (11-11-20)