Mibaribary fa tena fitaovana politika ny fitsarana sy ireo mpitsara sasany

Ny Valosoa

Tompondaka isika eto Madagasikara amin’ny fananana karazam-pitsarana sy rafitra ahitana mpitsara, toy ny Bianco, Samifin, Csi, Pac, Hcdded, Cnidh, Taf, tsy azo adinoina ireo goavana indrindra dia ny Hcc, Conseil d’Etat, Hcj ary ireo fitsarana isan’ambaratongany mielim-patrana manerana ny faritra.

Tsikaritra anefa fa ny sasany amin’ireny rafitra ireny dia lasa fitaovana anenjehana ireo tsy mitovy hevitra, ka ireo tompon’andraikitra fahiny mety hanelingelina ny mpitondra dia mety tonga aminy, hatramin’ny famoronana antontantaratasy entina iampangana azy ireo .

Mahazo laka eny amin’ny fampahalalambaovao izao ny fanenjehana ireo ministra sasany tamin’ny fitondrana Rajaonarimampianina, nolazaina fa nanodinkodimbolampanjakana, mety ho nisy izany, kanefa mety ho diso ihany koa, fa ny hita miharihary aloha izao dia hita taratra ihany ny halako bika tsy tiako tarehy.

Ny voalazan’ny lalàna dia ny Hcj na Fitsarana avo natao itsarana ireo olona ambony no mitsara ireo tompon’andraikitra ambony nanao hadisoana, ka misy ny vaomiera manao ny fanadihadiana eny amin’ny Antenimierampirenena, avy eo dia maka ny fankatoavana ao amin’ny fivoriambe vao miroso amin’ny fitsarana any amin’ny Hcj. Ny azo antoka dia manana ny maro an’isa ny fitondrana ao amin’ny Antenimierampirenena , ka tsy ho sarotra ho azy ireo ny mandetika ireo minisitra izay tsy takona afenina fa mpifanandrina politika aminy.

Etsy andaniny ihany koa dia nisy ny tatitra nataon’ny Tale Jeneralin’ny Bianco momba ny raharaha “écran plat”, nambaran’ity tompon’andraikitra ity, fa efa nahavita ny anjara fanadihadiany ny Bianco, ka ny Pac indray no mandray ny raharaha, dia ho hita izay tohiny, na ho afa-bela Ingahy Minisitry ny ati-tany nividy ilay fitaovana sy ny vadiny nivarotra ilay entana, ny ahiana dia mety hiteny indray ny Pac hanao hoe tsy mahaefa hitsara ny raharaha, fa tokony ny Hcj no hirotsaka an-tsehatra, dia azo antoka fa hidina eny Tsimbazaza indray ny fanadihadiana avy eo dia ho rava maina, satria manana ny maro an’isa ao amin’ny Antenimierampirenena ny fitondrana.

Ny fitoriana nataon’ny Antoko Tiako i Madagasikara tamin’ny fifidianana ben’ny Tanàna teto Antananarivo Renivohitra tany amin’ny Conseil d’Etat dia nandamoka, satria dia nanome rariny an’ Ingahy Vazahabe ity Filankevi-panjakana ity, kanefa nisy ary tena nisy ny porofo nivaingana nahitana, fa tsy ilay lisi-pifidianana nampiasaina tamin’ny fifidianana solombavambahoaka ny 27 Mey 2019 no nampiasaina tamin’ny fifidianana ben’ny Tanàna ny 27 Novambra 2019. Ingahy Ben’ny Tanàna moa dia efa nitabataba tamin’ny hoe tsy ampandroso an’Antananarivo hono ny fifanenjehana lava. Resaky ny matahotra fahamarinana ny an’Ingahy Vazahabe, satria izy anie no tia manenjik’olona fahatany, efa mazava izao fa izy ihany no nitory an’i Raharinirina Clémence mpanolotsaina loha-lisitra avy amin’ny antoko nahalany azy, kanefa dia nampangainy ho mpanely vaovao tsy marina sy mpanala baraka azy, hiakatra fitsarana Ramatoa mpanolotsaina amin’ny alatsinainy 7 Desambra 2020, izay no vokatry ny fakana am-bavany tao amin’ny fampanoavana, ka asa na handeha araka ny tokony ho izy toy ny raharaha “esplanade” ny fitsarana na hamoa-doza indray hanome rariny ny mpanampatra fahefana.

Mbola mahakasika ny fitsarana ihany dia vita tamin’ny Talata 10 Novambra 202O ny fifidianana ireo mpikambana ao amin’ny Filankevitra Ambonin’ny Mpitsara, ny azo lazaina mikasika io rafitra io dia ny Filohan’ny Repoblika no filoha ary izay Minisitra miadidy ny fitsarana no filoha lefitra, izany hoe tsy mahaleotena io rafitra io.

Betsaka ny raharaha ilaina ampiakarina fitsarana nandritra ny fitondrana tetezamita, sy amin’izao fitondrana Rajoelina izao, kanefa dia tsisy resaka toy ny raharaha andramena, ny nahafaty an’i Nadine Ramaroson, ny nahamay ny Rnm sy Tvm, ny famonoan’olona tamin’ny 7 Febroary 2009, ny resaka “doublon”, bonbons sucettes, panier garni, sns… saingy niniana tsy natao ho laharampahamehana ireo satria mahavoasaringotra tompon’andraikitra maro mbola eo amin’ny fitondrana.

Raha tena vonona ny handroso isika dia ny fitsarana sy ireo mpitsara no mila manao ny asany araka ny tokony ho izy isian’ny tany tan-dalàna, ka Ingahy Filohan’ny Repoblika mihitsy izay filohan’ny Filankevitra Ambonin’ny Mpitsara no manome lesona tsara, mba hihàtra amin’ny antsakany sy andavany ny soratra mivandravandra eny amin’ny Lapan’ny fitsarana manao hoe: “Ity lapa ity dia ho toerana ikarohana ny fahamarinana sy ho fialofan’ny malemy ary ho andrimpirenena”, saingy ny iainantsika ankehitriny dia ny mifanohitra amin’izany, satria manjaka loatra ny fitsabahan’ny politika amin’ny fitsarana.