EDITO 12 Novambra – Fitantanam-pirenena – Kapoaka aloha vao vahoaka ny an’ny fitondrana

Sôh’son

Tsy mifototra amin’ny mahamaika ny vahoaka ny laharam-pahamehan’ny fitondrana ankehitriny, araka ny resaka mandeha eny anivon’ny seha-panadihadiana samihafa.

Ny fahitana ny fihetsiky ny vahoaka sy ny adihevitra ataony eny anivon’ny fiainana andavanandro eny no isintonan-kevitra sy ilazana izany. Ny vahoaka miandry fatratra izay hamahana ny olana iainany andro aman’alina. Ny fitondrana kosa giazan’ny kajikajy politika lava vao manao zavatra eny amin’ny tontolo iainam-bahoaka. Io zavatra tanterahiny io dia ny mahamaika azy mifanaraka amin’ny tombontsoany aloha, fa tsy ny an’ny vahoaka.

Fihatsarambelatsihy fotsiny ihany no ilazany, fa ny tombontsoa ambonin’ny firenena no antony anaovana izao na izatsy. Tsy misy azo fitahina sy anaovana teny tsara lahatra ho fandemen-tsaina, fa efa fantatra mazava ny amin’ny tsy maintsy iarovana ny seza, ny fitondrana eo am-pelatanana, ary ny tombontsoany aloha vao mitodika any amin’izay an’ny vahoaka amin’izay. Io ilay mby amin’ny fitenin-jatovo hoe “kapoaka aloha vao vahoaka”.

Hita miharihary izany ao anatin’izao fitondrana izao. Porofon’izany, nahoana no tsy nimasoana dieny tany am-boalohany nandraisana ny fitondrana ny amin’ny fisorohana ny tsy hahafatin’ny kere ny mponina any Atsimon’ny Nosy. Izao vao mody mikoropaka sy manao fihetsiketsehana be. Efa an-taonany maro no nisy io tranga io tany an-toerana, fa tsy vao izao akory. Izany hoe tsy tao anaty kajy amin’ny politika fanandratana an’i Madagasikara nisehosehoana hatrany ivelany ny ady amin’izany. Midika ho tsy fahalalana ny zava-misy marina eto amin’ny firenena izany. Zavatra hafa no mahamaika, fa ny zavatra hahafaty vahoaka ao anaty fotoana fohy tsy tao anaty kajy.

Tsy voafehy koa anefa izany, satria tsy any atsimo ihany no misy olona matin’ny hanoanana, fa any amin’ny faritra hafa koa aza. Misy itrangan’izany na dia eto an-drenivohitra. Iaraha-mahita ireo mahantra fadiranovana tanteraka mitsindroka eny amin’ny dabam-pako sy eny rehetra eny ahitany izay azony arapaka manao izay hihazonan’aina hivelomana sisa.

Mampieritreritra lalina ny mbola ahenoina ny fahasahin’ny filohan’ny Antenimeirampirenena miaro tena tamin’ny hanim-be nohanin’izy ireo tamin’ny fiandohan’ny fotoam-pivorian’izy ireo ireny. Tsy miasa saina na kely aza amin’ireo matin’ny hanoanana eto amin’ity firenena ity sy ireo zara fa mahita arapaka isan’andro. Izao indray mbola mahita zavatra takiana hafa ihany toy ny fisotron-dronono ankoatra ny fiara tsy mataho-dalana. Tsy ireo ihany anefa, fa saika ny mpitondra fanjakana sy manam-pahefana isan-tsokajiny no manao izany, miady ny higalabona ao anaty fiadanana, fa tsy miezaka sy mifofotra hamaha ao anaty fotoana fohy ny olam-bahoaka.

Saika ny ankamaroan’ny olam-bahoaka ankehitriny no tsy hita soritra mazava izay hamahan’ny fitondrana azy. Saika vahaolana vonjimaika hatrany no ihazakazahana, mba hampitony ny mponina. Vao niseho izany teny Ankatso I andro vitsy lasa izao momba ny olan’ny rano, izay nolavin’ny mponina avy hatrany. Ny fitondrana ankehitriny dia toy ny tsy mahalala ny vahoaka entiny na koa minia tsy mahalala.