EDITO 10 Novambra – Lanonana teny Anatirova – Navily lalana ny soatoavina Malagasy

Sôh’son

Nahavalalanina ireo olom-pirenena mpitia sy mpandala marina ary saropiaro amin’ny maha-Malagasy madio, ny zava-nitranga notanterahina teny Anatirova ny 06 Novambra iny. Io tsy misy resaka adihevitra be fa tsotra sy mazava, navily làlana ny soatoavina Malagasy. Tsy ny fanaovana fitafiana mifandraindraika amin’ny fitondra amin’ny lanonana maha Malagasy dia ampy, hadisoan-kevitra izany. Fa ilay fototra iorenana mihitsy no antony lehibe. Rehefa tsy voahaja amin’ny antsipiriany izany, dia azo lazaina ho fandrebirebena vahoaka ihany sy familiana làlana ny soatoavina.

Iza no afaka hilaza fa renty tena maha-malagasy ireny niaraha-nahita ireny? Ny nitsidika ny Rova talohan’ny nahamay azy tamin’ny taona 1995, dia mahalala tsara ny tsy fisian’ny fifandraisany tamin’izao notokanana izao. Tsy afaka hahatsiaro sy hanana velively ny foto-pijoroan’ny fanjakana Malagasy, ka hampitoetra sy hanamafy orina ao anatiny ilay tena fitiavana ny tanindrazany. Ny hany mety hisy ho an’izay hitsidika ny Rova manomboka izao, indrindra ireo zaza sy tanora tiana hobeazina, dia hahafantatra fotsiny angaha ny tantara, dia izay. Sarotra ny hino ny haniriana sy hitomboan’ny hambom-pirenena ao anatin’izy ireo. Sao misy kajy hafahafa toy izany any ambadika any, sanatriavina?

Raha nijery tamin’ny fampitam-baovao, ny zava-nisy sy nampahafantarina tamin’iny andro iny, ny fisentoan’ny olom-pirenena saropiaro amin’ny tanindrazany, dia lasa mifangaro, toy ny “metisy”, na ialan-tsiny amin’ny filaza azy, toy ny “safiotra”, ilay Rovan’i Manjakamiadana, izay nosoloina anarana ho “Rovan’i Madagasikara” ankehitriny. Manaraka fomba maha-Malagasy koa ve ny pitsompitsony nahatongavana amin’izany?

Ho an’ny mpahay tantara sy mpahalala rehetra, na dia ny anaram-bato nampiasaina ao amin’io Rova io aza dia misy anarany avokoa. Dia ahoana izany ny amin’ireo zava-baovao maro, rentim-bahiny avy any ivelany nampidirina ao? Tsy mandehandeha ho azy ny zavatra atao rehetra sy apetraka amin’ny Malagasy. Ary tsy ny mpitondra ihany sy ny manodidina azy ao an-dapa no heverina, fa manana ny toerany tsy azo atao tsinontsinona ihany koa ny vahoaka. Nanana izay fisainana izay ve ireto mikasa hanova ny zotran’ny tantaran’ny firenena ireto? Miankina amin’izany rehetra izany anefa no hampipetraka marina na tsia ny fiandrianam-pirenena sy ny fitiavan-tanindrazana hiredareda ao am-pon’ny vahoaka Malagasy. Mbola ho tantara mitohy ity eny an-dRova ity, ka dia hiaraha-mahita eo ny “fandehany”…