Fitondrana Rajoelina – Miha-mangidy hoditra hatrany amin’ny maro

Helisoa

Na mihezaka manatsara tena eo imason’ny vahoaka Malagasy manerana ny Nosy aza ny fitondràna TGV, tarihan’ny filoha Andry Rajoelina dia maro no efa tsy resy lahatra aminy. Ny tena loza aza dia vao mainka mampangidy hoditra ity fitondràna ity amin’ny vahoaka ny zavatra ataony ankehitriny.

Ny mahatonga izany araka ny fandinihan’ny maro azy dia zavatra tsy miantraika mivantana amin’ny fiainan’ny Malagasy andavanandro no misy, fa izay mampetipety ny mpitondra fotsiny. Fisehoana ivelany ny an’ny mpitondra ankehitriny, ny mahafinaritra aloha vao ny mahasoa, ilay mifanohitra amin’ny tenin’ny filoha Marc Ravalomanana hoe ‘aleo ny mahasoa aloha vao ny mahafinaritra’ no hita amin’izany. Misy ny foto-drafitrasa handaniana vola be ataon’ny fanjakàna, fa araka ny voalaza etsy ambony ihany dia tsy miantraika mivantana amin’ny fiainanan’ny mponina izy ireny, fa vao mainka aza mampitondra faisana toy ny tranga tao Barikadimy Toamasina nandrodanana tranon’ny mponina marobe.

Manaraka izany, natao laza masaka niantsoana vahoaka hitsena azy ny satroka nandravahana ny fikabarian’ny Mpanjaka Ranavalona III tonga avy any Paris ny alakamisy teo. Fitsenana makotrokotroka nandaniana vola be no nataon’ny fitondràna tamin’izany, ka mpitandro filaminana marobe mihoatra noho ireny mitsena olo-malaza be ireny no hita teny Ivato mandrampahatongany teny Anatirova. Dia tsy maintsy natao toy ireny ve ny fahatongavan’io satroka io hoy ny fanontaniana miverimberina eny ambavan’ny olom-pirenena tsotra eny an-dalana, na any anaty tambazotran-tserasera izay efa mahazo vahana ankehitriny. Ny tsy fandriampahalemana manerana ny Nosy efa mampiteny ny moana na an-tanàn-dehibe io na any ambanivohitra, nefa ny mpitandro filaminana asaina mitsena satroka.

Ankoatra izay, marobe ny fampanantenana nataon’ny filoha Andry Rajoelina tamin’ny andron’ny fampielezan-kevitra, eny hatramin’izao izy efa lasa filoha napetraky ny HCC izao. Lasan-ko vavany toy ny aro-tabebaka izy ireny, ka na ny depiote IRD nanohana mafy an-dRajoelina hatramin’izay aza efa manontany tena, fa tsy mbola nisy notanterahan’ny fitondràna ny zavatra nampanantenana ny vahoaka tany amin’ny toerana naha-lany solombavambahoaka azy. Izany indrindra no mahatonga ny vahoaka tsy resy lahatra amin’ny fitondràna TGV tarihin’i Andry Rajoelina satria miharihary loatra ny lainga marivo tototra ataony eto amin’ny firenena.

Soa fa tsy ny RNM sy TVM irery izay mipasoka isan’andro ny mpitondra ihany no misy, fa efa marobe ireo fomba hahazoan’ny vahoaka vaovao amin’izao fotoanan’ny fanatontoloana izao, ka araky ny rehetra tsara ny vaovao sy ny zavatra tena marina, ka tsy mino izay fampandriana adrisa ataon’ny fitondrana Rajoelina sy ny forongony izy ireo.