Antenimierandoholona – Zava-dehibe ny fijoroan’ny KMSI eny anivon’ny fokontany

Ny fihaonan’ny avy amin’ny KMSI tamin’ny tao amin’ny Antenimierandoholona.

Isambilo

Nihaona tamin’ny Filohan’ny Vaomiera misahana ny Lalàna, ny asam-panjakana, ny asa ary ny lalàna sosialy Olivier RAKOTOVAZAHA, ao anivon’ny Antenimierandoholona, ireo mpikambana ao amin’ny Komity miaro ny soa iombonana, na KMSI omaly.

Nitondra fanazavana ny amin’ny maha zava-dehibe ny fanapariahana ny Komity miaro ny soa iombonana eny anivon’ny fokontany ireo mpikambana amin’ity komity ity, ny tanjona amin’izany hoy izy ireo dia ny handraisan’ny vahoaka anjara amin’ny fampandrosoana sy ny fampahafantarana amin’ireo mpitondra fanjakana mijoro, ny zava-misy marina miseho eny anivon’ny fiaraha-monina misy azy ireo tsirairay avy.

Nambaran’i Loholon’i Madagasikara Olivier RAKOTOVAZAHA kosa fa, ny Fokontany no tompon’andraikitra voalohany mahafantatra ny zava-misy marina eny anivon’ny fiaraha-monina noho izy akaiky ny vahoaka, noho izany dia tokony ho fidiana ny Filoha hitantana izany fokontany izany hoy ihany izy ary ny fampidirina azy ao amin’ny vondrom-bahoaka itsinjaraham-pahefana ara-dalàna no mampandeha an’ity firenena ity.

Marihina fa fihaonana fanindroany notanterahin’izy ireo tao anivon’ny Antenimierandoholona izao fihaonana izao.

(Sary: Ny fihaonan’ny avy amin’ny KMSI tamin’ny tao amin’ny Antenimierandoholona.)