EDITO 7 Novambra – 6 novambra 2020 – Tokony ho androm-pisaonana, fa tsy androm-pifaliana

Sôh’son

Mitsingerina omaly 6 novambra 2020 ny faha-25 taona naha-may ny Rovan’Antananarivo, na Anatirova. Tamin’ny fotoana menamasoandro, ny alatsinainy 20 novambra 1995 tokoa no may hotohoton’ny afo, noho ny asan’ireo tsy mataho-tody, Anatirova. Arak’izany, tokony ho androm-pisaonana, fa tsy andro anaovan-danonana, na hifaliana mihitsy ny andro omaly.

Ankoatra izany, momba ny zava-misy eto Madagasikara amin’izao fotoana, mbola ho ela vao ho tapaka ny tadim-poitra mamatotra an’i Madagasikara amin’i Frantsa raha ny zava-misy ankehitriny no dinihina. Mbola mifofotra mafy amin’ny fomba rehetra amin’ny fihazonana an’i Madagasikara, mody miseho amin’ny endrika fiahiana, na fanampiana samihafa ny fihetsik’i Frantsa. Tsy zakany velively ary tsy ekeny ny hialàn’ireo tombontsoa sesehena efa azony sy mbola katsahiny handritry ny taona maro eto amin’ity Nosy ity. Ny faneken’ny mpitondra malagasy izany dia tena firaisana petsapetsa aminy sy famadiham-pitokisana bevava amin’ny vahoaka Malagasy sy ny firenena mihitsy. Hita soritra anefa izany amin’izao fotoana izao, amin’ireo harena maro samihafa eto amin’ity firenena ity.

Firaisana tsikombakomba sy misy ambadika amin’ny politika maloto ny fihetsika tato anatin’ny roa andro niseho teto amin’ny firenena. Ity fitondrana ity dia tena mihevitra ny vahoaka malagasy ho toy ny zaza sy bado azo fitahina amin’ny teny tsara lahatra sy fihetsika amboamboarina entina hanampena-maso. Hita ho manambitamby ny fitondrana frantsay ihany ny fahitana ny fandehan-draharaha tamin’ny fifampiraharahana tamin’ny famerenana ilay tsingy ny tatarom-piandrianana, fa tsy satroboninahitra akory. Ity teny farany ity anefa no maninona tsindriana matetika rehefa miteny ny fitondrana? Midika izany, fa atao izay hanasana atidoha ny vahoaka Malagasy hanaiky fa miasa ary tena sahy mifanandrina amin’ny fitondrana frantsay izy. Famitahana bevava tsotra anefa izany. Raha lavin’ny fitondrana izany, fa tsy marina dia aoka izy ho sahy hilaza mazava sy hamerimberina toy ny ny amin’ny zavatra idedahany ireny, fa saika tsy nanaiky ny hamerina io ny fitondrana frantsay, ary ny tena heviny dia ny hihazona an’io zava-tsarobidy io mandrakizay any aminy.

Io tranga io anefa no manambara mazava fa kinendrin’ny fitondrana frantsay ny hanao an’i Madagasikara handritry ny taona maro ho avy, ho toy ny zaza tezainy eo am-pelatanany mandrakariva. Tsy hisy hino mihitsy ny olom-pirenena manam-pahalalana sy manana ny fitiavan-tanindrazana marina, fa madio ny sain’ny ambasadaoro frantsay nisolo tena ny fitondrana frantsay, izay toy izany koa ny sainy, nanolotra an’io harena Malagasy nofikiriny aman-jato taona io. Diso io fiheverana io rehefa hita ho tsy mila kisa sy tsy mihantsy toy ny nataony tato ho ato ny firenena Malagasy amin’ny famerenana ao anaty fotoana fohy ireo Nosy Malagasy nobodoiny ireo ny fitondrana frantsay. Ary raha mifandray tendro amin’izany fa tsy sahy manakiana sy mitsikera izany ny fitondrana Malagasy dia mpiray petsapetsa tsotra izao aminy ary mihatsaravelatsihy sy mamitaka ny vahoaka Malagasy. Ary raha mbola tsy miova famindra ny fitondrana ao anatin’izany, dia mila mieritreritra ny vahoaka, fa mbola ho ela vao ho tapaka ny tadim-poitra famahanana am-pitaka ny firenena.

Ny zaza tsy mbola tapaka tadim-poitra dia iaraha-mahalala fa miankin-doha tanteraka amin’ny reniny, ary tsy afa-miala sy tsy afaka manapa-kevitra irery amin’izay ataony.