EDITO 5 Novambra – 5-6 novambra 2020 – Ataon’ny fitondrana izay hanariana dia ny vahoaka malagasy

Sôh’son

Zava-droa loha na telo no tonga ao an-tsaina raha nandre ny fanazavana nataon’ny filohan’ny Repoblika Rajoelina, nanoloana ny mpanao gazety ny amin’ny zavatra hotanterahina manomboka anio. Ny voalohany, dia miendrika fanariana dia ny vahoaka no ataon’ny fitondrana. Marina, fa ilain’ny firenena ary tena ilaina ny satroboninahitry ny Mpanjaka Ranavalona III, satria tsy tokony hipetraka any Frantsa velively izany zava-tsarobidin’ny Malagasy izany. Kanefa tsy ampy io, fa mbola ao ihany koa ny lehibe, dia ilay satroboninahitra ny Mpanjaka Ranavalona I, izay very tany amin’ny taona niandohan’ny fitondrana tetezamitan-dRajoelina. Tsy misy tsy mahalala izany ny Malagasy, satria resabe teto amin’ny firenena io zava-nitranga io, ary karazany nampitolefahana ny vahoaka mihitsy hanaiky sy handadilady satria anisan’ny ain-dehibeny amin’ny fiandrianam-pirenena mihitsy no voatohintohina. Tsy nahitan’ny fitondrana Rajoelina tamin’izany vahaolana sy fikarohana nahomby izany. Hanakonakonana ny fahaverezan’io satroboninahitra io ve izany izao fihetsika anaovana angoan-tenda idedahana izao? Hatao izay hahavery dia ny vahoaka tsy hifantoka amin’ny tsy fahombiazana samihafa.

Faharoa, toy ny atao izay hanomezan-danja ny fitondrana frantsay mpangalatra ny zava-tsarobidy eto amin’ity firenena ity. Tsy io satroboninahitra io loatra no tena nandrasana tamin’ny fitondrana amin’ny fifampiraharahany amin’ny fitondrana frantsay, fa ny hamerenana ireo Nosy Malagasy bodoiny fotsiny izao. Miendrika fihatsarambelatsihy amin’ny vahoaka Malagasy ihany araka izany ny ataon-dRajoelina sy ny fitondrana frantsay amin’izao ataony izao, satria ity farany tsy hita soritra velively amin’izay finiavana hamerina ireo Nosy ireo. Karazany tampi-maso ihany koa izao zavatra izao raha amin’ny lafiny iray.

Fahatelo, hitsingerina ity ny andro nahamaizan’ny Rovan’i Manjakamiadana, ny 06 Novambra 1995, izany hoe feno 25 taona izany no nahamaizany. Misy ny fanarenana azy nandritry ny taona maro ary lazaina fa vita izany ankehitriny. Tsy nampahafantarina ny vahoaka Malagasy ny niafaran’ny fanadihadiana tamin’izany, sy ny atidoha nikotrika azy. Tsy azo sainina velively mihitsy anefa ny tsy ahafantaran’ireo tomponandraikitra samihafa izany na tamin’ny fotoan’andro na ankehitriny ny atidoha na ny rangory fototry ny afo tamin’izany raharaha maloto izany. Dia hotakonana amin’ny fanaovana lanonana hanakonana ny marina na hanampenana ny mason’ny vahoaka indray ve izao atao izao. Raha tena manana finiavana amin’ny hametrahana marina ny fiandrianam-pirenena sy ny fahaleovantenam-pirenena madio mangarahara izao fitondrana izao dia ho sahy hamoaka ny marina momba izany. Fa raha mbola misy afinafenina dia tsy misy azo antenaina firy ny zava-misy ho an’ny vahoaka Malagasy. Ary tsy tokony hohadinoina, fa misy asa afinafenina eny amin’ny Rova eny izay toherin’ny maro, ka moa tsy fanariana dia izany satria tsy noresahina mihitsy?

Na fiverenan’ny satroboninahitra noraofin’ny fitondrana mpanajanatany frantsay tamin’ny fotoan’andro, na ny fanarenana ny Rova, dia tsy hampiverina tanteraka ny fiandrianam-pirenena sy ny fahaleovantenam-pirenena marina izay iaraha-mahalala tsara fa gejaina amin’ny endriny vaovao hatramin’ny nahazoana fahaleovantena, ka mandraka ankehitriny feno 60 taona izao. Tsy misy fitsaharany ny fandrebirebena ny vahoaka Malagasy.