Hetsiky ny fanoherana tany Fianarantsoa – Tafita ny hafatra na nosakanan’ny Emmo-Reg aza

Ireo vahoaka marobe, liana nihaino ny tatir’ireo depiote tany Fianarantsoa

Isambilo

Tafita ny hafatra tamin’ny hetsiky ny mpanohitra, izay notarihan’ny depiote avy amin’ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM), nahitana ihany koa ny avy amin’ny Vondrona Panorama sy ny RMDM, izay natao tany Fianarantsoa, renivohitry ny faritra Matsiatra Ambony ny sabotsy lasa teo, na teo aza ny fisakanana nataon’ny mpitandro avy amin’ny Emmo-Reg tany an-toerana.

Tsy navelan’ireo mpitandro filaminana hiditra hatramin’ny farany tao amin’ny Magro Fianarantsoa ireo depiote hanao tatitra, satria izay no baiko azon’izy ireo, na efa vory lanonana tonga maro tokoa aza ny vahoakan’i Fianara. Tao amin’ny Magro no tokony hanaovana ny fihaonana araka ny fandaharam-potoana efa voapetraka, sy efa nampahafantarina ny be sy ny maro, ary efa nampahafantarina ny tompon’andraiki-panjakana tao an-toerana koa izany dia ny Préfet an’i Fianarantsoa. Ity farany no voalaza fa nanome ny toromarika fa tsy azo idirana ny Magro tao amin’ny renivohitry ny faritra Matsiatra Ambony. Na izany aza, nisy ny fifampidinihana teo amin’ireo mpitandro filaminana sy ireo mpitarika ny hetsiky ny fanoherana, izay notarihan’ny depiote Me Hanitra Razafimanantsoa, sy ny depiote Fidèle Razara Pierre ary ny depiote José Randrianantenaina.

Rehefa nifandresy lahatra nandritra ny fotoana elaela teo ny andaniny sy ny ankilany, tsy navelan’ireo mpitandro filaminana hiditra ny Magro izy ireo, fa navelany kosa nanao tatitra fohifohy teo an-dalambe. Na fohy aza ny fotoana tamin’izany, tafita ny hafatra, satria rahateo ireo vahoaka marobe tsy nisy niala teo.

Ankoatra izay, ny alahady alina koa, mbola nisy ny fandaharana manokana niainga mivantana tany Fianarantsoa, mbola nahafahan’ny tany an-toerana nahafantatra ny tena zava-misy tsy mandeha rehetra eto amin’ny firenena, ren’ny tany an-toerana sy heno manerana ny Nosy ihany koa. Teboka miiba fanampiny ho an’ny fitondrana Rajoelina, izay matahotra mpanohitra sy tsy manaja demokrasia iny, fa teboka miabo amboniny indray kosa ho an’ny fanoherana eto Madagasikara.

(Sary:  Ireo vahoaka marobe, liana nihaino ny tatir’ireo depiote tany Fianarantsoa.)