Firodanana tetsy amin’ny CMDLAC – Toa fambara ratsy ho an’ny ministera sy ny fitondrana

Ny Valosoa

Nisy ny loza nitranga tetsy amin’ny birao iray an’ny Ministeran’ny Kolontsaina sy ny Serasera ny zoma 30 Oktobra 2020 teo tokony tamin’ny 11 ora sy sasany, faharavana niteraka faharatrana izany, somary notsotsorin’ny mpitondra hoe nisy “naratra kely”, izay ny fanamoramorana ny zava-nitranga, kanefa dia mpamonjy voina maro no tonga nanao ny vonjy aina.

Anisan’ny niavaka tamin’ny hafa ny ministeran’ny serasera sy ny kolontsaina tamin’ity taona 2020 ity, satria hafa ireo zava-bitany, toy ny fampidirana am-ponja mpanao gazety sy ny fananganana fotodrafitrasa tsy mifanaraka amin’ny tantara, fa vao mainka aza mamono ny hasin’ny vakoka malagasy.

Isika eto amin’ny Gazety Ny Valosoa Vaovao, sanatria tsy hoe minomino foana fa mba voataiza ihany tamin’ny fahendrena malagasy, ka mahalala tsara ny lanjan’izany hoe “tsiny” sy ”tody”, mahafantatra loatra koa ny dikan’ireny ohabolana sy fomba fitenenana miavaka ireny toy ny hoe: ”izay mamafy rivotra dia hijinja tadio”, sy ny hoe “ny soa atao levenambola fa ny ratsy atao kosa loza mihantona”, sns…

Amin’ny fotoana tsy ampoizina no mihàtra ny tsy eran’ny aina, sanatria tsy hoe mandatsa, satria tsy nisy nieritreritra mihitsy hoe ho toy ireny ny zava-nanjo an’Ingahy Tale Jeneralin’ny Serasera, izay namonjy lanonana dia mba nakanaka kely, dia niafara tamin’ny lozam-piarakodia nitarika tany amin’ny fandratrana olona sy fametraham-pialana, manginy fotsiny koa izay mety ho tohiny amin’ny fanadihadiana.

Maro ireo olon-kendry sy mpikajy ny tantara sy vakoka no samy niloa-bava fa tsy mendrika ny malagasy ny fananganana ny “Colisée de la honte“ etsy amin’ny Anatirova, na Rovan’Antananarivo, kanefa dia Ingahy Filoha sy Ramatoa Minisitra mihitsy no tsy laitra ahisoka, ka mikasa hitokana ilay fotodrafitrasa mampisitri-belona etsy Anatirova amin’ny Zoma 6 Novambra 2020, tsingerin-taona faha25 nahamay ny Rovan’Antananarivo, efa azo an-tsaina fa tsy maintsy hidehaka ny fitondrana fa nahavita nanarina ny Rova, kanefa ireo Lapa maro toa an’i Besakana, Tranovola, Mahitsielafanjaka , Manampisoa, tsy mbola misy tokontaniny ny fanarenana azy, fa dia i Manjakamiadana sy ilay “Colisée de la honte “ no hitsofana mozika amin’ny Zoma ho avy izao.

Aleo dia ampahatsiahivina fa ny Sabotsy 19 Janoary 2019 no nanao fianianana tamin’ny fomba ofisialy tetsy Mahamasina ny Filoha Rajoelina amin’izao fotoana izao, ny harivan’io Sabotsy io dia nisy ny fikasan’ny mpitondra vaovao hanapoaka afomanga tao Anatirova, tsy raikitra izany fa voasakan’ny orana, kinanjo ny alin’io dia vatobe no nianjera nahafaty olona maro. Andro vitsivitsy indray taorian’io dia niditra tao Anatirova indray ireo mpitondra teto amintsika, andro vitsivitsy taoriana kelin’izay dia mbola nisy vatobe hafa indray nianjera, izao dia ho tokanana ilay fotodrafitrasa mahamenatra, herinandro katroka mialohan’izany ny loza nitranga tetsy amin’ny CMDLAC Analakely, izay fananan’ny ministeran’ny kolontsaina, mampieritreritra ny zava-nitranga.

Hoy ny fahendren’ny razantsika manao hoe:” sambasambain’ny ratsy hiavian’ny soa “, enga ka ho diso ny fanahiana, satria tsy misy malagasy maniry ny hiavian’ny loza.