EDITO 3 Novambra – Demôkrasia voahosihosy : aza heverina toy ny bado ny vahoaka

Sôh’son

Miditra amin’ny volana faha-11 sahady amin’ity taona diavina ity isika ankehitriny. Valalanina ny besinimaro amin’ny fahitana ny fihetsiky ny fitondrana sy ireo manampahefana samihafa eto amin’ny firenena. Mahalasa saina lavitra ny fahasahiana lalina mandray fanapahan-kevitra mifanohitra amin’ny fampanajana ny demôkrasia eto amin’ny tany sy ny fanjakana. Tsy iray tsy roa fa misy hatrany izay fanohintohinana ny demôkrasia izay. Niseho izany tany Mahajanga, ary nitohy tany Fianarantsoa farany teo.

Raha mbola miseho ny tsy fahafahana miteny an-kalalahana sy maneho hevitra, dia n’inona n’inona fanazavana atao, dia tsy misy demôkrasia izany eto, fa fandrebirebena amin’ny resabe samihafa no betsaka hamitaham-bahoaka. Anisan’izany ny filazana, ohatra, hoe : vao mianatra demôkrasia isika. Teny fandrebirebena fotsiny izany, fa efa tany amin’ny Repoblika voalohany anie no efa nitsidika teto amin’ny firenena izany voambolana izany. Niha-mafy io teny io nifamoivoy teto amin’ny firenena rehefa nifarana ny fitondran’i Didier Ratsiraka tany amin’ny taona 90. Dia firy taona aty aoriana ve dia mbola hianatra ihany? Sao dia ireo mpampiasa izany teny izany no tena fositra amin’ny fipetrahan’ny demôkrasia marina eto amin’ity firenena ity? Zary manambany ny vahoaka sy ny firenena mihitsy izany, toy ny fiheverana hanao toy ny mpianatra miadam-pandray lesona an-dakilasy, mba tsy hilazana hoe tsy mahay n’inona n’inona.

Misy koa sahy milaza, fa rehefa misy ny antenimiera ireo dia ampy izay, fa tsy ilaina ny vahoaka haneho ny heviny amin’ny toeran-kafa, fa efa solombavany ireo. Tena famitaham-bahoaka izany, ary fanaovana ny Malagasy ho toy ny zaza azo ambakaina, na bado mihitsy. Iaraha-mahita tsara ny zava-misy any amin’ireo firenena mandroso mandala izany firehan-kevitra izany, fa na eo aza ny fisian’ireo parlementera any aminy dia tsy mahasakana ny tsy hidinan’ny vahoaka an-dalambe haneho ny heviny izany. Maro ny tranga momba izany any amin’ny firenena maro any ivelany any, iaraha-mahita amin’ny fampitam-baovao izany.

Ny mahavariana dia misy ny filankevitra ambony miaro ny demôkrasia napetraka eto. Karamaina ireo olona ao aminy, ary mety ho be karama tokoa. Kanefa ilay andraikiny mihitsy eto no voakasika. Tsy hita mazava anefa izay fihetsiky ataony, fa karazany miahotrahotra eo anoloan’ny fihetsika misy manosihosy ny demôkrasia izao. Aoka tsy ho fitahina intsony na harebireby ny vahoaka Malagasy.