EDITO 31 Oktobra – Miady irery amin’ny hiarenany ny vahoaka Malagasy

Sôh’son

Mifarana ity ny volana faha-10 amin’ity taona diavina ity. Tsy hitan’ny vahoaka mazava izay lalan-kizorana itondrana ny firenena. Midika izay, fa tsy manana paik’ady mazava sy hentitra ny fitondrana amin’ny fomba hamoahana haingana ny firenena ao anatin’izao lavaka mangitsokitsoka nampidirana azy izao. Tsy misy ny tetik’ady mazava sy hentitra hamahana ny olana, na ara-toekarena, na ihany koa ny olana ara-tsosialy. Mahantra tanteraka ilay sarambabem-bahoaka noho ny zava-misy eto amin’ny firenena. Porofo mitohoka amin’ny tendany amin’izany, ohatra, ny zava-nitranga tamin’ity herinandro ity tamin’ny fisiana hain-trano teny Manarintsoa Isotry. Nampibaribary ny fiainan’ilay vahoaka Malagasy miady amin’ny fahasahiranam-piainana isan’andro vaky izao. Ny mpitondra anefa mifanohitra amin’izay ny fiainany raha ny fantatra tamin’ity herinandro ity. Hita hatrany amin’ny fiheveran’ireo parlemantera nahabe resaka eto amin’ny firenena hatramin’izao izany.  Mialokaloka hatrany ny mpitondra amin’ny fikatsahana na fiarovana tombontsoa manokana ao ambadiky ny amin’ny filazana, fa ho famitana ny asa sy andraikitra tanany. Misy kosa anefa toa zavatra tsy misy ifandraisany loatra nefa toa andaniam-bola be.

Manao izay hanarenany ny tenany ny vahoaka, fa raha hiandry ny fanampiana avy amin’ny fitondrana sasaran-ko hariva eo ny andro. Iaraha-mahita ny fomba fiainany tato ho ato, fa toa miandry teny fotsiny ny amin’ny hoe mivaha izao sy izatsy amin’ny fepetra amin’ny hamehana ara-pahasalamana, dia iny izy no “niridana”, tsy ho aiza akory fa ho amin’ny fitadiavana. Mafy izany mitady hanina ahafahana mivelona fotsiny sisa isan’andro. Toy ny vahoaka faraidiny raha samy vahoaka. Toa zavatra hafa no hihazakazahan’ny fitondrana, fa tsy ny tena ilain’ny vahoaka maika eo amin’ny fiainany. Iaraha-mahita ny manjo ireo ray aman-dreny amin’ny fampianaran-janaka amin’izao fotoana izao. Ny fahasahiranan’ireo mpiasa any amin’ny orinasa maro samihafa, indrindra any amin’ny tsy miankina toy ny orinasa afak’haba. Miady irery ny ankamaroan’izy ireny, ary mahatsiaro ho tsy topazan’ny fitondrana maso sy heveriny ny vahaolana ilain’ireo mpiasa. Ny very asa noho ny tsy fidiny tamin’ny valanaretina sy ny ninian’ny fitondrana natao, toy ny anjorom-bala mihitsy ankehitriny, fa tsy misy resaka na kely aza.

Mpitondra mamela irery ny vahoakany hiady irery eo amin’ny fiainany ve no misy eto izany? Tena izany ve no nirian’ny sarambabem-bahoaka hitondra azy? Ny fomba fiasan’ny fitondrana, raha ny hita, dia ny manao tsitokotoko, fa tsy ny mahasehaka avy hatrany ny daholobe manerana ny Nosy. Misy lesoka araka izany ny fomba fitantanana, hany ka zary mandrorona ny fampandrosoana eto amin’ity firenena ity. Mipetraka ho tarehimarika ihany ny 4 % hotratrarina amin’ny taoana ho avy, fa môtera fototra mampihodina ny toekarena aza ity tsy ananana vahaolana mazava sy hitokisana hahomby.