SOLOMBAVAMBAHOAKA MANARA-PENITRA ?

Eny ho’aho ry solombava, solombava tendan-kanina,
Ka miletra dia miletra nefa modimody fanina.
Moa hadinonao fa any, marobe ireo olona ory,
Malagasy toa anao fa tena tsy olon-kafa akory?

Malagasy efa mandady, trotraky ny hanoanana,
Tena mila fanampiana sy mba miandry tolotanana,
Saingy ianao mba nantenainy, lany andro ny mivory,
Nefa izay mba tapakao, tsy itsinjovana azy akory !

Dia tsy menatra ary ve ianao milaza ho solombava,
Manoloana ireo vahoaka efa mandry fotsy lava?
Moa tsy fandatsanao azy irony sary tato ho ato,
Mampiseho ny “fetin-kanina” izay nataonao teny Ivato?

Miampy fitakiana vola sy karazan-tombontsoa,
Hatramin’ny fiara efatrefatra, miampy retirety koa.
Dia mbola manamarin-tena sy mihiaka sesilany
Fa hoe “tena ara-drariny” izany fitakiana izany?

Eny ho’aho ry solombava nantenaina ho olom-banona,
Nefa hay tsy mety voky fa miletra tsy ankijanonana !
Mbola hitsara ny vahoaka ka miomàna dieny izao,
Fa efa tanany an-diary izay rehetra vitanao !

Eny ho’aho ry solombava mpaka tahaka ny saka,
Ka dia tia mangata-dava, tsy mahatsiaro afa-baraka !
Saino sy diniho ihany na “ny teny” na “ny atao,
Dia aoka mba ho “tena izy” ny “manara-penitrao “ !

DADAN’i ZINA (24-10-20)