Rafitra RMDM – Tafajoro ny any Mahabo, Antsohihy ary Amoron’i Mania

Ny fananganana ny RMDM tany Mahabo, faritra Menabe.

Helisoa

Efa misandrahaka manerana an’i Madagasikara ny rafitra RMDM, Rodoben’ny Mpanohitra ho an’ny Demokrasia eto Madagasikara, izay tarihan’ny filohany Marc Ravalomanana.

Ny faran’ny herinandro teo no nijoro ny rafitra tao amin’ny distrikan’i Mahabo faritra, izay natrehin’ny filohan’ny RMDM Menabe, Rivojaona Raherimihaja. Toy izany koa ny tao amin’ny faritra Amoron’i Mania, ka Ravelomaka Dinaherisoa no lany filoham-paritry ny RMDM ao an-toerana, ary ny tao amin’ny distrikan’Antsohihy ny herinandro lasa teo koa no nitsangana ny rafitra RMDM.

Tanjona ny fananganana ny RMDM manerana an’i Madagasikara hoy ireo tompon’andraikitra, mba hisian’ny mpanohitra matanjaka eto amin’ny firenena. Ilaina hoy izy ireo ny hisian’ny arofanina amin’ny fitantanana ny firenena, mba tsy handeha ila tahaka ny tian’ny mpitondra fanjakàna atao amin’izao.

(Sary: Ny fananganana ny RMDM tany Mahabo, faritra Menabe.)