Fiainam-pirenena – Vita ny hamehana, andrasana ny tomban’ezaka

Ny Valosoa

Nanambara Ingahy Filoha Rajoelina tamin’ny alahady 18 Oktobra 2020, fa tapitra ny fampiharana ny hamehana ara-pahasalamana, ary tsy hisy intsony ny fandaharana mivantana isa-tapa-bolana ao amin’ny Tvm sy Rnm, izay noraisin’ireo haino amanjery tsy miankina, mbola mitohy ny fanarahana ireo fepetra fiarovana toy ny aro vava sy orona, ny “fanajana ny elanelana “ sns… Nilaza Ingahy Filoha fa voafehy hono ny valan’aretina.

Fito volana no niharetan’ny vahoaka ny fahasahiranana tamin’ny endriny samihafa, ny mpitondra anefa tetsy andaniny nanao izay nataony tsy nisy bedy. Niainana nandritra ny hamehana ny fanagadrana mpanao gazety, izay tsy hita izay heloka nataony, fa nadoboka noho ny hevitra tsy mitovy. Nisy ny fananganana fotodrafitrasa manota-fady toy ny “Colisée de la honte“ tetsy Anatirova, izay fantatra ihany koa fa nisy famoaham-bola tsy mazava momba an’io.

Momba ny fitantanana ny valanaretina dia tsy nisy ny fangaraharana, fa nanararaotra sahala amin’ny banga mihomehy amin’alina ireo nahazo fahefana rehetra, niantomboka tamin’Ingahy Filoha tamin’ny famoahana ilay “Cvo” nolazaina fa mahasitrana ny koronaviriosy, nisy mihitsy ny fanomezana an’io “Cvo “ io ho an’ireo firenena afrikana, ny azo ambara aloha hatramin’izao dia tsy nitohy ny fanafarana ilay fanafody taty amintsika. Fito tapitrisa hoy Ingahy Filoha ny malagasy efa nisotro ilay tambavy, ny dikan’izany dia ny ampahatelon’ny malagasy latsaka kely izany no efa nisotro “Cvo” avokoa, kanefa raha izany no marina dia tokony ho hita ampiasain’ireo mpivarotra ranomboankazo sy tantely ny tavoahangy. Nidina telonjato ariary ny tavoahangy iray amin’ny “Cvo”, raha atao ny fampitahana dia mahazo “Cvo” folo tavoahangy ny vidin’ny labiera Thb ranony iray tavoahangy, Ingahy Filoha anefa tsy sasatra amin’ny fanaovana dokambarotra, ary nahavita mihitsy niteny hoe aleo hono mamboly artemizia toy izay mamboly vary, ary ilay Pharmalagasy nambara fa mpamokatra fanafody avy amin’ny zava-maniry malagasy dia mamokatra ny “Cvo +” marobe ao anatin’ny fotoana fohy, kanefa toa lasa fanafody fampitoniana ny vehivavy mandritra ny fadimbolana no voalaza fa ampiasana ilay “Cvo+”, fa tsy misy resaka koronaviriosy intsony.

Mikasika ireo endri-panampiana samihafa dia nanjaka ny zara-vilana, raha ny tarehimarika notanisain’Ingahy Filoha tamin’ny alahady teo, dia tsy ny 10 isanjaton’ny malagasy akory no nahazo ilay fanampiana tampi-maso, izay vao mainka aza nanome vahana ny fiparitahan’ny tsimokaretina ny fifampikasohana tsy nanaja elanelana nandritra ny fizarana, nisy koa ny fanindrahindrana ilay fampisamborambola tsy misy zana-bola ho an’ny mpiasa avy amin’ny sehatra tsy miankina, kanefa dia vola avy amin’ny latsakemboka naloan’ny mpampiasa sy ireo mpiasa no nampisamborina ary ny zana-bola dia ny sondro-bidy. Ireo orinasa nisedra fahasahiranana, nangataka fanafoanana na fampihenana amin’ny hetra aloa dia tsy norahirahian’ny fitondrana fa fanemoram-potoana no nekena, ary tsy nisy izay fanampiana .
Fa tsy azo adinoina ny fanodinkodinambola nampihorin-koditra toy ny resaka “bonbons sucettes”, mitentina 8000 tapitrisa ariary, Ramatoa ministry ny fanabeazampirenena no voarohirohy tamin’izany, kanefa dia nesorina tsy ho minisitra fotsiny no saziny, fa tsy nisy tohiny ilay raharaha, ny tena manahirana aza, misy olon-kafa nampidirina amponja, fa Ingahy Sekretera Jeneraly kosa dia ho anisan-dry 18 loholona. Tsy izay ihany, fa tsy ambakan’izay ny resaka “ecran plat” , satria mbola volabe ihany koa no tsy mazava ary nahitana ny tsikombakomban’ny minisitra miadidy ny ati-tany sy ny vadiny, tsisy fanadihadiana fa vao mainka aza niha-mafy ny toeran’Ingahy minisitra, izay tsiahivina fa tsy afa-miala ihany koa tamin’ny fisian’ny hosoka tamin’ny fifidianana nisy teto amin’ny firenena. Ankoatr’ireo dia niainana koa nandritra ny hamehana ny fanamparam-pahefana nataon’Ingahy Tale Jeneralin’ny Serasera, izay zakan’ny rano, ka nanao ny tsy fanao nahavita nandratra olona tamin’ny fiarakodia, fametraham-pialana no nataon’ity nahavanon-doza, fa hatramin’izao tsy nisy resaka ny mikasika ilay loza nataony.

Betsaka tsy tambo ho isaina ny hagaigena vitan’ireo tompon’andraikitra samihafa nandritra ny hamehana, saingy ampahany ihany ireo voalaza ireo, fa dia arahabaina aloha ny vahoaka malagasy izay tsy maty fo aman’aina nahatsipaka ny areti-mandoza, f’ireto mpitondra kosa dia atao mahitsy ny filaza azy, hitodika any aminareo tokoa ny mason’izao tontolo izao, indrindra fa ny olompirenena malagasy, satria tsara fifaranana mihitsy ny hamehana sy ny fandaharana fanaon’Ingahy Filoha satria namarana ny herinandro nanomezamboninahitra ireo Filohan’ny Repoblika roalahy samy efa nodimandry dia ny Filoha Philibert Tsiranana, filoha mpanangana ny Antoko Parti Sosialy Demokraty, sy ny Filoha Zafy Albert, saro-piaro amin’ny fahamarinana sy ny fampihavanampirenena, koa manantena ny vahoaka malagasy, fa tsy hisy ho afa-maina ireo nanao be ambosika tamin’ny volambahoaka, ary iriana fatratra ny ahafahan’ireo mpitsara manao ny asany ankalalahana, hahazo laka ny sosialy sy ny demokrasia nijoroan’ny Antoko PSD, ka ho voatsinjo ireo vahoaka maro an’isa zara mahita izay harapany, ary halalaka amin’izay ny fanahehoan-kevitra amin’ny endriny samihafa, mikasika ny fampihavanana nimatimatesan’ny Pr Zafy dia irariana mba Ingahy Filoha mihitsy no ho lohalaharana amin’ny fampiharana azy, ka ho foana ny fanaovana antsojay amin’ny mpifanandrina politika.

Ampatsiahivina eto ampamaranana fa nanampy ny fitondrana ny fahazoambola vokatry ny koronaviriosy, koa andrasana ny fandraisan’andraikitra avy amin’ny tompom-bola, tsy iza ireo, f’ireo mpiombon’antoka iraisampirenena, hanamarina raha tena tonga tokoa tany amin’ny vahoaka malagasy, izay anarana nenti-nangataka ireo fanampiana, fanao any amin’ny firenen-drehetra ny manao fanadihadiana rehefa vita krizy toy izao, isika malagasy kosa hanara-maso fatratra sy hiandry ny rariny ampitoniana sady hitondra ambavaka ny amin’ny fivoahan’ny fahamarinana.