Raharaham-pirenena – Mpanavakavaka ny fitondrana misy eto amintsika hoy ny HVM

Niaina

Nanatanteraka fivoriana teny amin’ny foiben-toerany afak’omaly ny avy amin’ny antoko HVM (Hery Vaovaon’i Madagasikara), ny mahakasika ireo raharaha mafanafana eto amin’ny firenena no voaresak’izy ireo tamin’izany. Nilaza ireo mpivory fa filohampirenena mpanavakavaka no misy eto amintsika. Mamparary anaty ny antoko HVM ihany koa ny fahenona ny nanagadrana ny mpanao gazety, ministra teo aloha, Rolly Mercia. Milaza ihany koa ny ao amin’ity antoko ity: “tsy trano nianjera, tsy basy nipoaka ary tsy nisy ny maty, ny fananana fahefana izany dia hanapotehina izay tsy mitovy hevitra amin’ny tena ? haharitra hatramin’ny oviana izany”, hoy izy ireo.

Mazava ihany koa izao, fa ny olona mandrafitra ny Antenimierandoholona no tsy tian’ny mpitondra, fa tsy ilay rafitra hoy ity antoko teo aloha teo amin’ny fitondrana ity. Tsy ilaina sy mandany vola marina io rafitra io, koa inona no antony mbola androtsahan’ny fitondrana kandida, hoy hatrany izy ireo.

Halako bika tsy tiako tarehy no misy eto ary tsy mahazaka ny mpiray tanindrazana tsy mitovy firehana aminy ny fitondrana Rajoelina, hoy ny fanehoan-kevitry ny HVM, ka ny fampiasaina ny fahefana no entina hamotehina izay tsy mitovy hevitra. Raha izany rehetra izany no fomba itondrana ity firenena ity dia ho potika tsy ho ela ny fitondrana Rajoelina, satria ny rariny no itsakitsahina sy atao tsinontsinona.