“Tokana ny Vatovavy ary ao anatiny Ikongo” – Rajoelina nanome toky tao amin’ny Tranobe Masina

Rohy FB https://www.facebook.com/tvpresse.mg/videos/1418057328585082
Ampanjaka sy Oloben’Ikongo « Tsy afa-misaraka amin’i Vatovavy izahay »
(J. Mirija sy Toky R, tiatanindrazana.com, 14/10/2020)
https://tiatanindrazana.com/pages/modules.php?id=45960

Nivory tao amin’ny tranobe Satrokefa ny taranak’i Ravaloarivo ny alakamisy teo. Ao ny avy ao Ikongo, Andrianony, Mananjary, Ambohisara, Nosy Varika, Ifanadiana ary nanao fanambarana fa Vatovavy dia tokana iray tsy mivaky.

Atao ren-tany, ren-danitra fa tokana i Vatovavy ary ireto mpanjaka ireto no misolo tena hanao ny fanambarana, hoy ny solontenan’ireo olobe tao an-toerana. I Namorona dia miaraka amin’i Vatovavy noho ny fangatahan’ireto raiamandreny ampanjaka ireto. Nanao fanambarana tato amin’ity tranobe masina ity ianao fa hanome ny faritra Vatovavy raha tafaverina amin’ny toeranao, hoy hatrany ny fanambarana nataon’izy ireo niantefa tany amin’ny filoham-pirenena. Ikongo, Ifanadiana, Nosy Varika, Namorona ary i Mananjary, izay renivohitra no mameno ny Vatovavy. Nanamafy ny fanambarana moa ireo olobe sy solontenan’ny vahoakan’Ikongo ny sabotsy. Tsy ampy andriamatoa filoha ny fizaram-paritra ara-jeografia fotsiny fa ilaina ny fijerena ny antony sy ny lafin-javatra hafa maro, hoy izy ireo. Tsy afa-misaraka amin’ny faritr’i Vatovavy izahay raha ny tantara sy kolontsaina no jerena. Mitovy ny fomba amam-panao ara-drazana. Izany dia midika ny maha iray tsy azo sarahana. Mitovy ny harin-karena eo amin’ny distrika miisa 4. Tsy misy tombontsoa mihitsy tao amin’ny Fitovinany nandritry ny taona maro. Foto-drafitrasa tsy misy. Noho ireo antony maro voatanisa ireo dia hamafisinay fa Ikongo dia miaraka amin’i Vatovavy, hoy hatrany ny fanambarana izay nosoniavin’ny Ndrianonibe, Razafimandimby Dilofera Bertrand. Midongy ho isan’ny faritr’i Vatovavy ihany koa, araka izany, Ikongo ka ho hita eo ny fandaminana. An-jatony, hoy ny fanamarihana, ireo Mpanjaka, Ampanjaka, Anakandria, ary Andriambavy nanao ireto fanambarana ireto tany Ikongo sy Mananjary.

Tsy manaiky ilay fizaram-paritra nambaran’ny filoham-pirenena tany Mananjary ny alatsinainy teo izany ireto Ampanjaka sy Oloben’Ikongo ireto raha ity fanambaana ity, satria milaza io fizarana io fa i Vatovavy dia hahitana an’i Mananjary, Nosy Varika ary Ifanadiana. I Fitovinany kosa hahitana an’i Manakara, Vohipeno ary Ikongo.