Fankalazana ny 14 oktobra – Samy naka ho azy ny antoko PSD sy ny fitondrana

Isambilo

Samy naka ho azy ny antoko PSD sy ny fitondrana tamin’ny fanamarihana ny 14 oktobra omaly, izay daty nijoroan’ny Repoblika teto amintsika. Mbola tsy tena fahaleovantena no azo tamin’izany satria mbola niankina tamin’i Frantsa i Madagasikara, na najoro aza ny Repoblika. Ny antoko PSD no nitondra tamin’izany, tamin’ny alalan’ny filoha Philibert Tsiranana, arak’izany ity fetin’ny 14 oktobra ity dia fetin’ny PSD ihany koa. Tsy niara-nanamarika izany tamin’ny fitondrana misy anefa izy ireo omaly. Ny fitondrana nanamarika ity fotoana ity tany Anahidrano, misy trano fonenan’ny Filoha Philibert Tsiranana ary misy ny fasana ilevenany koa, ny antoko PSD izay tarihan-dRamatoa Eliana Bezaza kosa dia nanamarika izany tany Mandritsara faritra Sofia, izay tena misy ny tanindrazan’ny filoha Philibert Tsiranana. Niavaka ny fankalazana 14 oktobra tany Mandritsara. Tontosa ny alatsinainy teo ny fanokafana ny fankalazana ny fitsingerenana’ny taona nahaterahan’ny Repoblika voalohany, ny 14 oktobra 1958, izay efa 62 taona izao.

Miavaka ny fankalazana izany ao amin’ny Distrika Mandritsara manokana satria tao Marosely kaominina Ambarikorano distrikan’i Mandritsara, no nilatsahan’ny tavonin’ny filoha Philibert Tsiranana. Nanomboka tamin’ny sabotsy 10 oktobra 2020 no nolokoina volamena ny tsangambaton’i Philibert Tsiranana eo amin’ny Tranompokonolona Mandritsara vaovao sy ny ao Bazarin-tsarety sady novana endrika ny tao Bazarin-tsarety, natodika miantsinanana raha nitodika atsimo izany teo aloha.

Mbola ho fankalazana ny maha Repoblika an’i Madagasikara dia misy fampirantiana ny tantaram-pirenena nanomboka tamin’ny nahaterahan’ny Repoblika ny 14 oktobra 1958 hatramin’izao, izay nakana mpitahiry sary eto Madagasikara, ny mpaka sary matihanina, Rakotobe Michel.

Tamin’izany ihany koa no nametrahana ireo Sojabe mpitan-jiny na mpitana kobay ao amin’ny Distrikan’i Mandritsara, ka ireo ray aman-dreny zokiny no sady mipetraka any Mandritsara no napetraka ho sojabe fitaratra. Sady natao nosaronana ireo ray aman-dreny ireto dia Indriamanesy Armand, Velonkavana François Dassise ary Manampity Armand.

Napetraka sojabe izy ireo ho mpiambin-jiny ny distrikan’i Mandritsara. Teo ihany koa no nanokafana tamin’ny fomba miavaka ny fampirantiana, izay tsy natrehin’ny fitondram-panjaka fa ny Sekretera Nationaly ny antoko PSD Bezaza Eliana no nanome voninahitra ity lanonana ity.

Isany voasarona ihany koa Ramatoa Bezaza Eliana, noho izy mitondra lio na ràn’ny filoha teo aloha ity. Mandritra ny herinandro ny fankalazana any amin’ny renivohitr’Androna, izay tarihan’ny ntoko PSD sy ny Sojabe mpiambin-jiny.

Marihana fa efa tsy mankalaza ity 14 oktobra ity intsony ny eto amintsika, fa ny 26 jona ihany no tena fankalazana ny fetin’ny fahaleovantena, sarintsarim-pahaleovantena ny tamin’ny 14 oktobra 1958.

(Sary: Ny fanokafana ny fankalazana ny 14 oktobra tany Mandritsara)