EDITO 15 Oktobra – Fahaiza-mitarika (leadership) – Nomen-dRavalo lanja, lesoky ny fitondrana Rajoelina

Sôh’son

Resaka mipoitra matetika eny anivon’ny fiaraha-monina, na ny fiainana andavanandro, ny fomba fitondran’ny mpitondra ankehitriny ny vahoaka sy ny firenena. Tsy hitan’ny vahoaka mazava mantsy izay tena lalan-kizoran’ny firenena fa toy ny mpitondra « mitsatsaingoka ho vantony » fotsiny ihany no mitarika azy. Niharihary izany, indrindra fa tato anatin’ny fito volana nidiran-kizo tamin’ny fihanaky ny valanaretina covid-19. Nidedahana ny olana tsy voavahan’ny fitondrana teo aloha, nilazana tamin’ny vahoaka fa izy no hitondra ny vahaolana ary ao anaty fotoana fohy. Iaraha-mahita tsara anefa, fa resabe izany, raha tsy hilaza afa-tsy ny fahatapatapahan’ny jiro lava isan’andro izay mbola misy ihany 22 volana aty aoriana ny nitondrany; sy ny olana momba ny famatsiana rano madio fisotro mampijaly ny mponina maro. Ilay fanamafisana ny fampiraisan-kinan’ny vahoaka andrasana amin’ny fitondrana toy ny natao tari-drano ankilahila, an-tsirambina no betsaka. Ohatra miharihary amin’izany koa ny fomba fiasa tamin’ny fizarana fanampiana ara-tsosialin’ny mponina ho fanohanana amin’ny krizy vokatry ny fepetra amin’ny hamehana ara-pahasalamana ihany. Ho raharaha sarotra ny famerenana ny fanamafisana indray izany sy indrindra raha amin’ny fanaingàna hiara-hientana. Lesoka amin’ny fahaizana mitarika vahoaka, na “leadership” izany rehetra izany.

Eo indrindra no hahatsiarovana ny zava-bita tsara iray nataon’ny filoha Ravalomanana Marc. Mampiavaka azy rehefa manao zavatra dia manao tsara fa tsy alasafay na zara fa manao sy manao tsy hahavita. Niaraha-nahita ireo zava-bitany tamin’ny nitondrany. Anisan’ny iray lehibe nanamarika ny nitondrany ny amin’ny fanomezan-danja ny fanofanana ho amin’ny fahaiza-mitarika, na haitarika, na « leadership ». Nomen-danja ambony sy toerana manokana mihitsy izany teny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha. Nisy ny trano lehibe nomena anarana mihitsy ho amin’izany fotsiny, dia ny NLIM: National Leadership Institute of Madagascar. Teo ireo mpampiofana manana diplôma ambony amin’izany, nizara ny fahaizana sy ny traikefany. Sokajin’olona maro, tomponandraikitra maro samihafa nanerana ny Nosy manontolo mihitsy no nomena fiofanana tamin’izany. Ny tomponandraiki-panjakana ambony, ka hatrany ifotony toy ny sefo fokontany no nisitraka izany. Tena tsy nisy mpitondra nahavita toy izany. Tombontsoa lehibe no azo tamin’izany ary nisy fiantraikany tany amin’ny fiainam-bahoaka sy ny fomba fiheverana na fisainana. Raha nisy fitohizana fotoana naharitraritra izany efa hafa i Madagasikara sy ny vahoaka Malagasy toy izao. Saingy ireny nosomparana olom-bitsy mpandrombaka fahefana ireny izany zava-tsoa izany. Ny mpitondra izay nanao io fomba fiasa io teto amin’izao tontolo izao, dia tena nahavita nampandroso sy nampisandratra ny fireneny.

Ny firenena mila olona maro manana fahaiza-mitarika, na “leadership” amin’izao fotoana izao. Misy fahabangana sy lesoka lehibe io ankehitriny eo amin’ny fitantanam-pirenena miainga any ambony ka hatrany ifotony. Tsy lavina, mety hisy hanana diplôma amin’izany ihany ny eo anivon’ny fitondrana, saingy mijanona ho diplôma fe diplôma izany, fa ny fampiharana tsy hita mivaingana. Fandrefesana izany, dia tsotra, amin’ny alalan’ny fijerena ny fihetsiky ny vahoaka rehetra amin’ireo asa na tetikasa ataon’ny fitondrana ao anatin’izao fe-potoana iasany izao.