Tsehenoarisoa Rabenja – Miantso an-dRajoelina sy Ravalo hifanatona sy hiara-hiasa

Tsehenoarisoa Rabenja, mpanao politika sady Administratera Sivily.

Isambilo

Mitondra ny fahitany ny raharaham-pirenena amin’izao fotoana izao ny mpanao politika sady Administratera Sivily, Tsehenoarisoa Rabenja. Mahakasika ny firaisankinam-pirenena hoy izy, miala tsiny aho raha vantam-piteny, satria vitsy ny mpanolo-tsaina hahasahy hiteny toy izao hambarako manaraka izao. Efa mpanefoefo ianareo, samy manana vola any ivelany ianareo fitsinjovana vodiandro ho merika, samy milaza ianareo fa tia tanindrazana. Fotoana re izao fa kere isika :
– mba jereo ny tombontsoam-pirenena.
– Mba jereo ny fahantran’ny gasy.
– Mba jereo Madagasikara fa mangasihasy,
– Tsy ho resy amin’ny mandat, na fotoam-piasana iray izao krizy izao. Na ny firenena vaventy aza manaiky fa ho ela ny fanarenana.
-Tsy ho resin’antoko iray izao fahantrana farahidiny izao. Ianao Andriamatoa Filohampirenena Andry Rajoelina, sy ingahy Ravalomanana miaraka, hoy ihany i Tsehenoarisoa Rabenja no ho afaka hampiray hina ny Malagasy. Raha te handresy isika:
– mila firaisankinam-pirenena izao fotoana izao, mba hiatrehana ny mpamatsy vola, ao mantsy ny hozatry ny ady, na nerf de la guerre.
– Mila tontolo politika milamina ahafa-miasa ampitoniana, hampitombo ny harin-karena i Madagasikara ankehitriny. “Nous vous prions. Comportez-vous en hommes d’états responsables” : miangavy anareo aho hoy izy, mijoroa ho tena ho mpitondra tompon’andraikitra ianareo. Arak’izany, miantso ny Filoha Ravalomanana sy Andry Rajoelina hifanatona sy hiara-hiasa ity mpanao politika, sy mpiasam-panjakana ambony ity ihany koa. Fanehoan-kevitra toy ny fanehoan-kevitra rehetra ny azy, ka ho hita eo izay ho akon’izany.