Gasy Tia Tanindrazana La Réunion – Tsy hitsahatra ny hanameloka ny hetraketraka rehetra ataon’ity Fitondrana Rajoelina ity

FANAMBARANA

Mitohy ny herisetran’i ‘boaikely’ sy ny forongony. Nampiasaina indray ny orinasa Colas, izay nanamboatra ny Colisée, handrava tanteraka ny foto-drafitrasan’ny orinasa Tiko sisa tsy voaroban’nireo mpanongam-panjakana tamin’ny taona 2009 ao amin’ny seranantsambon’i Toamasina.

Toherinay GTT La Réunion marin-drano izany toetran-jiolahy izany. Aoka izay ny antsonjay! Aoka izay ny fankahalàna! Aoka izay ny lainga isan-karazany sy fanabadoana vahoaka.

Raha vao ny anarana Andry Rajoelina no miseho, dia ao an-tsaina avy hatrany ny hoe mpanongam-panjakana, mpandoro, mpandrava, mpankahala, mpambotry, mpanao kolikoly, mpanitsakitsaka lalàna, mpandainga sady tsy mahavita.

Aoka izay! Ary mirosoa amin’ny fanonerana ny fananan’ireo rehetra voadona tamin’ny hetraketraka nandritra ireo krizy teo aloha. Vola mihoatra ny 1.400 miliara ariary mahery no ananan’ny orinasa TIKO izay nopotehina tamin’ny 2009, ary mbola hanaovana antsonjay sy ezahina ravàna tanteraka hatramin’izao. Ezahina ny hamotika tanteraka izay mety mifanandrify amin’ny anarana Marc Ravalomanana. Saingy diso “cible” ianareo hoy izy, ny ahy mandeha tsara ny fiainako fa ny fianakaviana maro miaina amin’ny orinasa no mijaly.

Aoka izay! Aoka ny fampiesonana amin’ny alalan’ny komitin’ny fampihavanampirenena (CFM)! Aoka ny jadona amin’ny alalan’ny fitsaràna sy ny herimpamoretana!

Miiandrandra fitondrana vanona izahay, fitondrana mpanorina, fitondrana mitsinjo ny fifampihavanana sy ny sosialim-bahoaka, fitondrana mandala ny fahamarinana.

Manainga an’ireo olompirenena mandala ny fahamarinana sy ny soatoavina malagasy, ary mikatsaka ny tombontsoan’ny malagasy rehetra mba hiray hina toy ny ataon’ny Rodoben’ny Mpanohitra ho an’ny Demokrasia eto Madagasikara (RMDM), tsy hitsahatra ny hanameloka ny hetraketraka rehetra ataon’ity Fitondrana Rajoelina ity, ary hijoro ho an’ny hoavin’i Madagasikara sy ny vahoaka Malagasy.

Gasy Tia Tanindrazana La Réunion