EDITO 8 Oktobra – Tsy hita izay ezaka fitsinjovana ireo mpisehatra amin’ny fampianarana

Radafy

Tsy nahavaha olana tamin’ny fahasahiranan’ireo ray aman-dreny nampiditra ny zanany nianatra ny fitondrana, tamin’izao miditra amin’ny taom-pianarana vaovao izao. Niaka-bidy ny fitaovam-pianaran’ny mpianatra teny an-tsena. Misondrotra isan-taona rahateo izany. Niady irery ireo ray aman-dreny Malagasy marobe nanao izay hianaran-janany ao anatin’izao mbola hamehana ara-pahasalamana izao sy ny vokatr’izany. Nisy aza ny tsy tafavoaka mihitsy noho izay fahasahiranana lalina izay ka voatery tsy fidiny, fa tsy afa-manoatra, tsy nampiditra ny zanany an-tsekoly. Voatohintohina araka izany ny fanomanana ny fiainan-koavin’izy ireo, ary tsy maintsy hisy fiantraikany amin’ny fiainam-pirenena any aoriana ihany koa izany. Iza no tomponandraikitra omena tsiny amin’izany?

Karazany nikimpiana ihany ny nirosoana tamin’ny fanadinam-panjakana entina hamaranana ny taom-pianarana 2019 – 2020 sy ny idirana amin’izao taom-pianarana vaovao izao. Tsy hita mazava izay fahazoana antoka ho an’ny rehetra misehatra ao anatin’izany manoloana ny fihanaky ny valanaretina covid-19, sy ny fanomezan-toky avy amin’ny tomponandraikitry ny sekoly sy ny mpampianatra, ny amin’ny hamenoana ny fahabangana amin’ny fahaizana amam-pahalalan’ny mpianatra nandritry ny volana maro tsy nianarana. Amin’ny fomba ahoana no hamitàna ny fandaharam-pianarana miatrika taom-pianarana vaovao sy ny lesona tsy feno teo aloha? Sao dia ho lasa alasafay fotsiny ny fampianarana? Manan-jo hitaky izany ny ray aman-dreny sy ny mpianatra ary tsy avy aminy no antony tsy nianarana tao anaty volana maro. Misy tokony hifanarahana amin’ny sekoly amin’ny faran’ny taom-pianarana raha tsy vitany ny nameno ny fahaizana amam-pahalalana banga. Tsy lavina, tsy fahadisoan’ny sekoly koa izany, kanefa niaraha-nahita sy nahalala tsara fa tsy nisy fileferana mihitsy ny sekoly nitaky ny saram-pianarana tamin’ireo volana tsy nianaran’ny mpianatra fa tsy maintsy naloa izany. Ny setrin’ny tsy fandoavana izany dia ny tsy fahazoana “bulletin”.

Mbola mila fandaminana goavana ny seha-pampianarana fa maro loatra ny olana misy ao anatiny. Ny fitondrana dia tsikaritra ho manampy olana ihany ao anatiny, indrindra rehefa misy kajy politika izay tadiaviny ampifangaroana aminy. Ny vahaolana entiny anefa, zara raha mampitony vetivety monja ihany, fa mba mitsabo fotsiny izy. Ny olan’ny ray aman-dreny tsy voavaha, ny fitsinjovana marina ireo zaza Malagasy mianatra tsy hita soritra mazava, ny fanampiana sy fanaraha-maso ireo sekoly rehetra tsy vitany, ary indrindra ny fanomezan-danja ireo mpampianatra hita ho manjavozavo lava. Tsy tsara ho an’ny firenena izany toe-javatra izany.