Depiote Feno Ralambomanana – Nanolotra fitaovam-pianarana ho an’ireo ankizy tao amin’ny boriborintany faha 3

Ireo fitaovam-pianarana avy amin’ny depiote Feno Ralambomanana.

Helisoa

Tsy manao ambanin-javatra ny lafiny fanabeazana ny depiote voafidy tao amin’ny boriborintany faha 3, eto Antananarivo Renivohitra, Feno Ralambomanana, avy amin’ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM).

Nisy arak’izany ny fanolorany fitaovam-pianarana ho an’ireo ankizy sahirana tao amin’ny foiben-toeran’ny antoko TIM tao Bel’Air Ampandrana ny faran’ny herinandro teo, noho ny fahatsapan’ny depiote Feno Ralambomanana ny fahasahiranana mahazo ny ray aman-dreny amin’izao fotoana fidiran’ny mpianatra izao.

Ankizy avy amin’ ny Fokontany miisa 9 no nisitraka izany aloha , fa mbola ho avy tsy ho ela ny an’ny fokontany sasany ao anatin’ny boriborintany faha3 araka ny fanambaràna azo tamin’ireo mpiara-miasa amin’i depiote sy ireo CM: mpanolotsaina ny tanàna voafidy tao amin’ity boriborintany ity.

(Sary: Ireo fitaovam-pianarana avy amin’ny depiote Feno Ralambomanana.)