6 Oktobra – Taratasin’ny mpamaky

Ffanehoan-kevitra ampitaina amin’ny gazety Ny Valosoa izao manaraka izao.

Gaga ny tena raha nahita tamin’ny fahitalavitra fa niara-naka sary tamin’ireo mponina tany atsimo Rajoelina, tsy nisy nanao aro vava sy orona izy ireo, tsy voahaja ny elanelana 1 m.

Mampametra-panontaniana amin’ny Filoha sy ireo mpiara-dia aminy ny zava-nisy tany Atsimo : aiza ny cache vava orona? aiza ny elanelana 1 metatra? ahoana ilay famorian’olona tsy mahazo mihoatra ny 200? Nefa ny famoriana vahoaka nataon-dRajoelina tany, nisy ny nihoatra ny 200.

Zandry tena tsy manara-dalàna fôna fôna izy. Mpanohitra ny tenin’i Prezidà fôna fôna Rajoelina. Matin’ny kere ny mpiray tanindrazana any Atsimo… I Zandry milaza mahita, fa fotoana mety indrindra hanaovana prôpavandy any izany. Fa atao ho an’iza ny torolala sy didy aman-dalàna e? Aoka mba hazava izay tena tokony hatao sy haleha fa sady manimba zavatra no mamono ny mpiray firenena …” ny fanaovana mpitari-bato vilam-bava “…

Ny hamehana anerena ny mpiray firenena ho tohizina kanefa ny sasany etsy akaiky etsy manohitra tsy amin-tahotra, tsy amin-kenatra avy hatrany ny fepetra vao avy napetrany. Ny mpitondra mihitsy no fitaratra ratsy ho an’ny vahoaka, tsy manaja ny fepetra amin’ny hamehana ara-pahasalamana, koa aza gaga ny mpitondra raha tsy hanaraka ny baiko ataon’izy ireo ny vahoaka.

Marcellia, Ravololoniaina
Anketa, Toliara