Filoha Rajoelina tany Atsimo – Novereziny hasina ny hiram-pirenena

Ny valosoa

Mampiavaka ny firenena iray ny hiram-pireneny, ny sainam-pireneny, ireo teny filamatra, ny renivohitra ary ny fitombokasem-pirenena.

Ireo teny filamatra sy ny soratra ary ny sary ao amin’ny fitombokasem-pirenena dia miovaova isaky ny miova laharana ny repoblika teto amintsika, fa ny renivohitra sy ny hiram-pirenena ary ny sainam-pirenena dia tsy niova nandritra ny 60 taona.

Mikasika ny sainam-pirenena Malagasy dia loko telo ihany no miasa dia ny fotsy sy ny mena ary ny maintso , ny fotsy dia mitsangana manaraka ny tahon-tsaina, ny mena sy ny maintso kosa dia mitsivalana mifandray amin’ilay fotsy, ny mena no eo ambonin’ny maintso ary mitovy habe ny loko telo fotsy mena maintso.

Raha any amin’ny samboady indray na amin’ireo saina velarina misy loko mifampitaingina dia ny fotsy no ambony indrindra, manaraka ny mena ary ny maintso no ambany indrindra.
Ny anjara toeran’ny sainam-pirenena indray dia tsy ilaina atoro fa manana ny lanjany satria ahitana azy avokoa ny biraom-panjakana rehetra, ny sainam-pirenena no hitsofan-drano an’ireo mpitandro filaminana nahavita fiofanana ary amin’ny fotoandehibe ara-panjakana rehetra dia tsy maintsy mihofahofa ny sainam-pirenena Malagasy.

Ny hiram-pirenena indray dia efa iaraha-mahalala ny lohateniny : “ Ry tanindrazanay malala o! Ry Madagasikara Soa ! ”, tsy niova mihitsy nanditran’izay 60 taona izay hira izay, ny Mpitandrina Rahajason no namorona ny tonony ary Norbert Raharisoa no nanao ny feonkira, ny mpianatra tao amin’ny Ecole Normale Mahamasina na “ Le Myre de Vilers” fahiny no nihira azy voalohany, misy andininy telo io hira io, saingy nanomboka ny taona 2002 nitondran’ny Filoha Marc Ravalomanana vao nohiraina manontolo ireo andininy rehetra miaraka amin’ny isan’andininy na “refrain”, fa tamin’ireo mpitondra talohan’io dia ny andininy iray ihany no nohiraina.

Matetika dia hiraina ny hiram-pirenena rehefa atsangana ny sainam-pirenena, any amin’ny toeram-piasana samihafa sy sekoly isan-karazany ary indrindra amin’ny fotoan-dehibe hanomezam-boninahitra lanonana na manampahefana mendri-kaja.

Ny mpianatra any amin’ny garabola, ireo izay nandia varavarantsekoly, ary rehefa olompirenena dia samy mahay ary tokony hahay tsianjery ny hirampirenena, henatra sy fahafambaraka izany hoe tsy mahay ny hirampireneny izany, tsikaritra izany tamin’ireo mpilalaon’ny Barean’ i Madagasikara izay tsy nahay izany tany Egypta tamin’ny CAN 2019, mbola azo leferina ihany izany, fa ny tena loza sy mampisitri-belona tanteraka dia ny vaovao nivoaka tamin’ny tambazotran-tserasera samihafa, satria ilay Filohan’ny Repoblika sady Filohampirenena Andry Rajoelina mihitsy no tsy nahay ny hiram-pirenena Malagasy ary toa nanimbazimba izany imasombahoaka mihitsy aza izy satria tsy nataony hatramin’ny farany ilay izy fa izao no heno tamin’izany: Ry tanindrazanay malala o! train, train, train, train, train, train, train, train! Nihomehy avokoa moa izay nahare izany tamin’ilay horonan-tsary, ilay fihomehezana tsy hoe tsara ny nataon’ny Filoha, ny mifanohitra amin’izany aza no tena tao an-tsain’izy ireo hoe: Filohan’ny Repoblika ve dia tsy mahay hiram-pirenena!

Andrasana izay fanapahan-kevitra avy amin’ireo mpahay lalàna mikasika izany fanimbazimbana izany, satria ny olompirenena rehetra dia mitovy eo ambany lalàna , ary ny filohampirenena dia fitaratra eo amin’ny fanajana ny lalàna sy ny fanomezan-kasina ny fiandrianam-pirenena.

Raha olompirenena tsotra no nanao ilay fanivaivana dia azo antoka fa nisokatra nidanadana ho azy ny varavaran’ny fonja , asa efa niova angaha ny lalàna, ka ny sainampirenena efa niova loko ho vonimboasary ary ny hirampirenena efa nosoloina ireny hira fanao any amin’ireny “ boite de nuit “ ireny .

Eto ampamarana dia tsotra ny fanontaniana ilam-baliny avy amin’ny filohan’ny Repoblika : “ Sao dia tsy filohan’ny Malagasy intsony ary ianao ?”