Fitorian’ny loholona – Manao ny tsy fanao hatrany ny HCC

Ny foiben-toeran'ny HCC etsy Amnohidahy

Ny Valosoa

Nivoaka ny fanapahankevitry ny HCC, momba ny fitoriana nataon’ireo loholona izay nanitrikitrika fa misy ny tsy fanarahan-dalàna amin’ny fanatanterahana ny fifidianana loholona, valinteny efa nampoizina ihany no azo, dia ny filazan’ny Fitsarana Avo momba ny lalampanorenana, fa “azo raisina fa tsy mitombina” ireo fitoriana.

Tsy vao voalohany, f’efa matetika hatramin’ny taona 2009 no nanao ny tsy fanao io andrimpanjakana io, santionany ny nanekeny ny fanonganampanjakana ny 17 Martsa 2009, ny taona 2014 indray dia nisy ny fanakimpiana ny maso tamin’ny halatra bevata niseho tamin’ny fifidianana filohan’ny repoblika, ka nahatonga ny faharesen’ny Dr Robinson, ary ny mampiomehy araka ny fitenin’ny tanora dia ny namoahan’ny Fitsarana Avo momba ny lalampanorenana ilay “Pacte de responsablité ”, izay tsy didim-pitsarana fa fanapahankevitra politika, fa ny tena nitera-doza dia ny fifidianana filohampirenena farany teo satria nahazo vahana ny fisian’ny hosoka sy ny tsy fanarahan-dalàna samihafa, ary ny hita mibaribary, dia ilay lisi-pifidianana nampiasaina mihitsy no efa tsy izy intsony, kanefa rehefa nandeha ny fitoriana marim-pototra, dia tsy nihambahamba ny Fitsarana Avo nanambara fa “azo raisina fa tsy mitombina” ireo fitoriana nisy porofo.

Hatramin’izao dia lasa litanian’ io fahefana mpitsara io ny “azo raisina fa tsy mitombina”, ka ny tena olana sy mampidi-kizo ny firenena dia ny maha “didy tsy azo ivalozana” ny didy avoakany, ny fanapahan’ io andrimpanjakana io, izay midika hoe ”tampina ny daomy”, ka “ampidino ny dobla enina”, tsy misy inon’inona azo atao intsony, fa manoatra noho ny tora-bato avy any an-danitra.

Tsy ny fositra akory no tsy ambolem-boavahy hoy ny fahendren’ny razantsika, tsy atao mahakivy na dia resy hatrany ny rariny, satria ny filoha sy ireo mpitsara avo, ho an’ny olompirenena miaina amin’ny fahamarinana dia azo lazaina hoe tsy misy azo raisina ny didy navoakany, satria mifanohitra amin’ny rariny sy ny hitsiny, tsikaritra fa toa teren-javatra maro izy ireo, ka tsy mahatombina amin’ny toeram-boninahitra lehibe nomena azy. Raha tsiahivina ny valintenin’ny Filohan’ny Fitsarana Avo momba ny lalampanorenana mahakasika ny fanovana ny anaran’ny lehiben’ny faritra ho “governora” dia nanamafy Ingahy Filoha fa tsy olana izay anarana fiantsoana, fa ny mahamaika dia ny fanatanterahana ny fifidianana eny anivon’ny faritra, kanefa tsy tontosa izany fa voasongon’ny tsy tokony hatao.

Tena miaina amin’ny atambo ny firenena, rehefa ny fahefana mpitsara faratampony no manao ny tsy fanao dia tonga amin’ilay tenin’ny Ray aman-dreny Monja Jaona manao hoe: “toy ny bokotr’akanjo, rehefa mivaralila ny ambony dia mivaralila hatrany ambany“, k’izay no ahiana mafy fa mety tsy ho voafehy ireo ambaratongam-pitsarana samihafa, fa alaim-panahy amin’ny famoahana didy tsy azo raisina , sady ahiana tsy ahatombina amin’ny toerana koa ireo mpitsara, dia hanjaka hatrany ny fanjakan’i Baroa izay efa iainana ankehitriny.