Lokoina loko orange – Lokon’ny fanapotehana avokoa ity rehetra ity

Ny biraon’ny Faritany etsy Ambohidahy, nolokoina orange koa.

Helisoa

Asa mihintsy izay mahazo ity fitondràna tarihin’ny filoha Andry Rajoelina ity, fa dia lokoina volomboasary na orange avokoa izay zavatra rehetra lazain’izy ireo fa zavabitany na efa asan’ny mpitondra teo aloha aza, sy trano efa teo ihany fa lokoina fotsiny mba hadio ivelany. Tsy fahatokisan-tena ve izany? sa misy dikany ireny loko marevaka hita etsy sy eroa ireny?

Nanomboka izany ny fandokoana ny biraon’ny faritany teo aloha eo amin’ny tonelina Ambohidahy, izay lasa biraon’ny Ragôvan’Analamanga ankehitriny. Nahabe resaka ny mpandalo amin’iny toerana iny izy io satria toa, moa va tsy ohatra ireny trano fianarana ho an’ireo ankizy madinika ireny. Mandeha ny fanamboarana fotodrafitr’asa, izay hita fa fisehoana ivelany fotsiny, hanambaràna fa mahavita zavatra ny fitondràna. Avy hatrany izy ireny dia lokoina loko volomboasary, mba hanintona ny maso. Nandeha nitokana ny toerana famokarana fanafody indray ny filoha Andry Rajoelina omaly teny Tanjombato, hita mibaribary tamin’izany fa hatramin’ny lokon’ny fanafody sy ny tranony aza dia loko volomboasary avokoa.

Diso hevitra anefa Andry Rajoelina amin’ny zavatra eritreretiny fa hametrahany tantara ho an’ity Madagasikara ity, dia ny hipetrahany eo amin’ny fitondràna mandrakizay. Tsy adala sy bado akory ny olona, ka tsy ahafantatra ny hevitra tiany ahatongavana. Raha tena ray amandrenin’ny Malagasy manontolo izy dia tsy ny lokon’ny antokony no entina hitondràna ity firenena ity satria tsy TGV avokoa ny Malagasy 25 tapitrisa, fa samy manana ny hanitra ho azy avokoa.

Izany loko volomboasary izany dia mampanofy ratsy ny vahoaka Malagasy maro noho ny fahapotehana nentiny teto amin’ny firenena nanomboka tamin’ny fanonganam-panjakàna tamin’ny taona 2009. Nefa raha ny zavatra tadiavin’ity fitondràna ity dia ho lokoina volomboasary hatramin’ny trano hipetrahan’ny vahoaka Malagasy mihintsy angamba atsy ho atsy, nefa lokon’ny fahapotehana sy ny fanapotehana no tena andikan’ny ankamaroan’ny Malagasy izany loko izany.

(Sary: Ny biraon’ny Faritany etsy Ambohidahy, nolokoina orange koa.)