EDITO 3 Oktobra – Andro iraisam-pirenena – Mbola antsirambina ny fitsinjovana ireo zokiolona

Radafy

Manana ny anjara toerany lehibe sy fanàjana ny raiamandreny zokiolona, ny eo amin’ny fiainan’ny Malagasy sy ny soatoaviny. Nanabeazana ireo taranaka fara aman-dimby izany tamin’ny alalan’ny sehatra samihafa tany aloha. Ankehitriny anefa niha-matroka tanteraka, mba tsy ilazana hoe voafafa, izany fametrahana amin’ny maha izy azy ireo zokiolona izany. Tato anatin’ny folo taona farany no tena hita nikorosy fahana io toe-tsaina manome lanja azy ireo izany, noho ny fihetsiky ny andian’olom-bitsy sahy nanivaiva raiamandreny tokony hajaina teto amin’ity firenena ity. Rehefa any amin’ny sehatra ambony no misy izany, dia mazava loatra, leson-dratsy ho an’ny eny amin’ny fiaraha-monina izany.

Anisan’ny sehatra iray nanehoana ny fanajàna ireo zokiolona, tamin’ny fotoan’andro tsy ela, ny fanomezana azy ireo ny “karatra maitso”, hampiasainy rehefa handeha fiara fitateram-bahoaka, na ihany koa ho any amin’ny toeram-pitsaboana mety handoavam-bola. Ankehitriny anefa tsy hita intsony izany ary tsy miasa intsony na misy zokiolona aza mbola mitondra izany. Tsy misy valerany ho an’ny mpitatitra intsony izany, fa mitovy amin’ny rehetra ihany izy ireo amin’ny saran-dàlana aloany. Zavatra tsara tany aloha izany, fa tsy vitan’ity fitondrana ankehitriny, miseho azy ho mahay sy mahavita noho ny hafa ity.

Tranga maromaro no isehoan’izay fahaverezan-kasina na fanajàna ny zokiolona izay ankehitriny eto amin’ity firenena ity. Maro ireo raiamandreny no toy ny natao tohatra fiakarana fotsiny fa rehefa avy eo ahifika sy tsipahina toy ny laka-nitàna. Tsy eo anivom-pianakaviana ihany izany, fa indrindra eo amin’ny fiainam-piarahamonina sy firenena mihitsy. Mbola ambinambin-javatra ihany ny fitsinjovana azy ireo sy fametrahana amin’ny toerany tokony ho azy eo amin’ny fiainana andavanandrony. Iaraha-mahita ireny zava-misy amin’ny fizarana fanampiana ataon’ny fitondrana ireny. Raha amin’ny firenena iray manontolo no jerena, dia ampahany vitsy ihany anefa izy ireo, satria ny firenentsika dia ao anatin’ny sokajina firenena tanora, izany hoe tanora no maro an’isa. Tsy vitan’ny fitondrana anefa, ny manome ny valim-babena tokony ho azy ireo. Marihina fa nomarihina ny 1 oktobra teo ny andro iraisam-pirenena ho an’ny zokiolona, toy ny firenena maro eto amin’izao tontolo izao, nankalaza izany isika teto Madagasikara, ka tany Mandritsara faritra Sofia no natao ny fanamarihana tamin’ny fomba ofisialy. Mba hisy fiantraikany mivantana amin’ny fiainan’ny zokiolona ny fisian’ny andro iray natokana ho azy ireo isan-taona izao.