Tsy rariny – Nadoboka 44 volana am-ponja i Berija

Berija

Isambilo

Tsy rariny, izay no azo amehezana ny didim-pitsarana nivoaka omaly tetsy Anosy, mahakasika ny raharaha Berija. Vokatr’izany didim-pitsarana izany, nadoboka am-ponja sazy mihàtra mandritra ny 44 volana i Berija, afaka noho ny fisalasalana ny rahalahiny, afaka madiodio kosa ny olona 3 hafa tamin’ity raharaha ity.

Sazy mihàtra 44 volana be izao, izany hoe 4 taona latsaka 4 volana no sazy azon’i Berija Ravelomanatsoa araka ny didim-pitsarana nivoaka omaly io. Anisan’ny niampangana azy ny raharaha fanehoan-kevitra tao amin’ny Facebook, filazana fa nanala-baraka sy nanompa olona tao amin’ny tambazotran-tserasera sosialy izy. Arak’izany dia tsy tao intsony indray ny fiampangana azy fa nanohintohina ny filaminan’ny fanjakana, sy ny filazana azy fa nikotrika fanonganam-panjakana.

Tena ho potehana mihitsy ve izany Berija hoy ny fanehoan-kevitry ny mpanao politika, ny fianakaviany ary ny olon-tsotra sy sokajin’olona samihafa, nanontanian’ny mpanao gazety mahakasika ity raharaha ity.