Fifidianana loholona ny 11 desambra – Lalana mampidi-kizo ny fitondran-dRajoelina

Andry Tsiavalona

Miaiky ny olona sasany fa mahay miserasera tokoa izao fitondrana izao. Ny indro kely anefa dia toa tsy mbola eo amin’ny fitondrana izy ireo satria lasa miverina any amin’ny fotoana fampielezankevitra indray izy ireo, sady maka ny toeran’ny mpanohitra indray, ka tsy mitsahatra mamaly sy manohitra izay tsikera ataon’ny vondron’ny mpanohitra.

Porofon’izany dia na taiza na taiza nalehan’ny filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina tato ho ato dia toa mbola manao « velirano » indray izy, ka mampanantena izatsy na izaroa. Ny tena nanaitra dia ny tany amin’ny Faritra Sava, izay toerana nanizingizinany tamin’ny fotoanan’ny fampielezankevitra fa hampiakariny dimy, folo avo heny ny vidin’ny lavanila toa tsy mahalala izy, fa ny lalàn’ny tolotra sy ny tinady no mamaritra izany, indrindra eo amin’ny sehatry ny varotra iraisam-pirenena. Nentina nanarenana io filazany io dia nanome izay heveriny ho « vahaolana » indray izy ny herinandro lasa teo, ka hanorina fotodrafitrasa hantsoina hoe « Tranon’ny Lavanila » (Maison de la Vanille). Tsy mazava amin’ny mpamboly any an-toerana ny tian-kolazaina satria hampiova inona amin’ny vidin’ny lavanila moa ny fananganana trano na hisy rihina firy na ho lehibe sahala amin’ny Lapan’Iavoloha aza izany.

Iaraha-mahatsiaro ny resaka vatsy izay nambaran’ny filohan’ny Repoblika ihany teny Alasora, fa tsy maintsy mahazo avokoa ny olom-pirenena na manana karnem-pokontany na tsy manana ary dia nambara ihany koa fa hovaina ho « biométrique » ny karne, ka vao hampandalovina amin’ny « scanner » izany dia hita ao na efa nahazo ilay olona na tsia. Nivadika anefa izany ka nolazaina fa voasoratra ao anaty karne ny vatsy efa azo. Tsy fantatra intsony izay marina satria misoratra ao na « biométrique » ny karne na tsotra.

Araka ny tatitry ny fivorian’ny filankevitry ny minisitra dia tsy hankalazaina eto an-drenivohitra indray ny 26 Jona 2020, ny faha-60 taonan’ny fahaleovantena fa ho any Anahidrano indray ny filohan’ny Repoblika IV ny 14 Oktobra 2020, izay andro nosafidiana hanaovana ny lanonana nangingina tamin’ny 26 Jona lasa teo. Tsy mbola nisy nanao izany nandritra izay enimpolo taona lasa izay, fa sambany eo amin’ny tantaram-pirenena indray hoy izao ny mpanohana.

Miziriziry ny tsy maintsy hanaovana ny fifidianana Loholona ny 11 desambra 2020 ny fitondrana, araka ny Lalàmpanorenana, hono, izany. Raha ny fahafantarana azy dia misy mpahay lalàna maro manodidina ny filohan’ny Repoblika sy any amin’ny minisitera isan-tokony any kanefa dia tsy ahitan-teny izy ireny, fa toa mandrisika ny hizorana amin’izany làlana mampidi-kizo izany. Maro ny mahita fa tsy mifanaraka velively amin’ny Lalàmpanorenana ny fanatanterahana io fifidianana io satria ny resaky ny Praiminisitra farany dia ny tarehimarika 24, isan’ireo kaominina mbola haverina ny fifidianana, fa niniana tsy nolazaina ny isan’ny mponina mpifidy very zo sy ireo mpifidy vaventy tokony ho lany ary manan-jo hifidy loholona kanefa tsy afaka hanao izany. Eo anivon’ny kaominina ihany izany fa etsy an-kilany dia eo koa ny fifidianana filohan’ny Faritra sy ny mpanolotsainam-paritra sy ny Filohan’ny Faritany sy ny mpanolotsainan’ny Faritany, izay ny olompirenena rehetra no mifidy izany. Nolazain’ny Praiminisitra anefa fa tsy hanova ny voka-pifidianana izany.

Tsy azo lavina fa tsy ny vahoaka Malagasy rehetra dia mahatakatra izao fanodinkodinana ny marina izao, ka mitombona ny lazain’ny mpanakanto iray manao hoe “tsy lany olomanga i Madagasikara fa lany olona marina”. Maika sy te-hametraka ny dian-tànany eo amin’ny tataram-pirenena ny mpitondra amin’izao fotoana izao kanefa dia ireny dian-tànany ireny ihany no hamatotra azy ary ataon’ny ho avy porofo hamoahana didim-pitsarana hanamelohana azy.