Fivoriamben’ny ONU – Tsy sahy nikabary Rajoelina na tamin’ny visioconférence aza izany

Ny Valosoa

Isaky volana Septambra sy oktobra no tanterahina any amin’ny Foiben’ny Firenena Mikambana (ONU) any New-York, ny Fivoriamben’ny Firenena Mikambana, ka ireo filohampirenena, na lehibena governemanta, na ministry ny raharaham-bahiny, avy amin’ny firenendrehetra no manatrika izany. Tamin’ity taona ity noho ny antony ara-pahasalamana, dia tsy nisy nankany New-York ireo mpivory, fa tany amin’ny fireneny tsirairay avy no samy nikabary tamin’ny alalan’ny visioconférence ireo filohampirenena, ny antsika malagasy dia ny Praiminisitra Ntsay Christian, no nandray fitenenana. Tsy dia hita ny ventin-kevitr’ilay kabary, fa toy ny fandaharana isa-tapabolana mandeha amin’ny haino amanjery eto amintsika no nataony, ny tsy nampitovy azy fotsiny, dia tsy tamin’ny malagasy no nitenenany sady tsy nisy an’ilay ramatoa mpanadina.

Nilaza Ingahy Praiministra tamin’ny kabary nataony fa nanampy ny orinasa malagasy hono ny fitondrana, kanefa iaraha-mahita fa nolavin’ny fitondrana ny fangatahan’ny orinasa tsy miankina tsy handoa hetra, ny vola fanampiana tsy misy, fa fampindramambola ataon’ny Cnaps amin’ny mpiasa no ventesin’ny mpitondra, kanefa ny vola ao amin’ny Cnaps dia vokatry ny latsakemboky ny mpampiasa(13 isanjato) sy ireo (1 isanjato isaky ny mpiasa), izany hoe ny vola narotsaky ny orinasa ihany no ampindramina azy, lazaina fa tsy misy zana-bola, kanefa ny sondro-bidy vokatry ny fitontonganan’ny ariary tsy ankijanona dia manoatra noho ny zana-bola. Dia mbola nohamafisin’Ingahy Praiminisitra, fa nahomby hono ny Cvo, izy kosa aloha tsy niteny hoe nahatratra 7 tapitrisa ny malagasy efa nisotro ny Cvo, fa mikasika ity Cvo ity no tiana hanaovana fanamarihana satria CoVid Organics no anaran’ilay fanafody, dia mifanontany ireo manantsaina mikarokaroka manao hoe: ilay CoVid ve no organika sa ilay fanafody ? satria raha ny firafitr’ilay andianteny dia ilay valan’aretina mihitsy no toa organika, ny tonga ao antsaina dia ilay teny hoe “orange” no navadibadika nakana ilay” organics”, io ilay antsoin’ny vazaha hoe “anagramme” .

Fa raha hiverina amin’ilay Fivoriamben’ny Firenena Mikambana dia diso fanantenana ny vahoaka sasany satria, efa niandry ny lahateny miezinezina tokony ho nataon’Ingahy filoha Rajoelina mikasika ireo Nosy malagasy , izay efa nambaran’Ingahy filoha fa hiverina amintsika malagasy tamin’ny 26 Jona 2020 teo ary mbola nohitrikitrihan’Ingahy filoha tamin’ny resaka nataony tamin’ny fahitalavitra frantsay iray, fa tsy maintsy ho azontsika ny nosy ary tsy hisy ny fiaraha-mitantana amin’ny frantsay, “ restitution fa tsy congestion”, hoy izy tamin’ny feo hentitra dia hentitra.

Hatramin’ny” nahavoafidy”azy ho filohampirenena dia tsy mbola nandray anjara tamin’ny Fivoriamben’ny Firenena Mikambana, Ingahy filoha, kanefa dia fomba iray ampitodika ny mason’izao tontolo izao aty Madagasikara ny fandrenesana ny feon’ny filoha Malagasy, sady fanararaotra ny fahatrarana ny faha-75 taonan’ity fikambanana iraisampirenena goavana indindra erantany ity, izay niorina tamin’ny 1945, kanefa dia tsy izay no miseho, asa mbola tsy afaka ao antsain’Ingahy Filoha, izy ilay tonga nisolantsolana tany New-York tamin’ny volana Septambra 2009, tsy nahazo niteny ary nosokajiana hoe “sans qualite”, ka izao efa lazaaina hoe:“ara-dalàna“, na tsy izay aza no tokony ho izy, mbola tsy sahy laka, fa miala ilany.