Tsy mbola misy tanteraka – Difotra ao anaty nofinofy ny vinan’ny fitondrana Rajoelina

Andry Tsiavalona

Taorian’ny namoahan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC), ny maha ara-dalàna ilay lalàna nolanian’ny Antenimierampirenena taorian’ny famakiana azy fanintelony dia mizotra amin’ny fanatanterahana ny fifidianana Loholona ny fitondrana amin’izao fotoana izao. Eo anoloan’izany anefa dia maro dia maro ny fanakianana ataon’ny ankolafin-kery misy: filohana Andrim-panjakana, politisiana, fiarahamonim-pirenena, olon-tsotra, momba ny tsy fanarahan-dalàna ataon’ny andrim-panjakana isan-tokony, primatiora, Antenimierampirenena.

Ny manahirana ny saina dia afaka dimy volana no tapitra ny fotoam-piasan’ny Antenimierandoholona, izany hoe roa volana mahery kely aorian’ny fifidianana. Tsy izay anefa ny tena olana fa ny fahajamban’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana manoloana ny fanitsahana ny Lalàmpanorenana momba ireo mpifidy lehibe (grands électeurs), izay tsara ampahatsiahivina, fa ny ben’ny tanàna sy ny mpanolotsainan’ny tanàna, ny filohan’ny faritra sy ny mpanolotsainam-paritra, ny filohan’ny faritany sy ny mpanolotsainan’ny faritany. Ny zava-misy anefa dia mbola misy kaominina amam-polony maro no tsy nahavita ny fifidianana ben’ny tanàna, ny lehiben’ny faritra dia governora izay olom-boatendry, kanefa araka ny Lalàmpanorenana iainana amin’izao Repoblika IV izao dia olom-boafidy izany. Torak’izany koa ny filohan’ny Faritra. Ny isan’ny Loholona izay nahena ho 18 raha 63 araka ny Lalàmpanorenana tsy resahina intsony satria mbola fanitsakitsahana ny lalàna ihany koa kanefa dia izao fitondrana izao no namolavola azy fony izy ireo teo amin’ny tetezamita. Tena nalain-tahaka tokoa ka rehefa tena tonga eo amin’ny fitondrana dia nahatsapa fa namandri-tena ihany satria nihevitra ny tsy ho eo amin’ny toerana tamin’izany. Iaraha-mahita koa izany eo amin’ny nanomezana toerana ho an’ny filohan’ny mpanohitra ao amin’ny Antenimiera, ka tsy hanatanterahana izany na dia efa fantatra aza ny filohan’ny mpanohitra. Mahatsapa izao fitondrana izao fa mpifanandrina manana ny herizika amin’izany fanoherana izany Ravalomanana Marc, ka itadiavana izao hevi-dratsy rehetra izao entina handemena azy kanefa ho vato do-miverina ihany izany, ka hifototra any amin’izay nitoraka.

Anisan’ny nanaitra ihany koa amin’izao fotoana izao ny tsy fanajan’ny rafitra mpananteraka ny fisaraham-pahefana eo aminy sy ny fahefana mpitsara, ka andefasan’ny manampahefana avy ao amin’ny fiadidiana ny repoblika manome baiko mpitsara hampiditra am-ponja vonjimaika olona araka ny taratasy eo am-pelatanan’ny Filohan’ny Antenimierandoholona. Tsy ireo manampahefana eo anivon’ny fitondrana foibe ihany no tsy mahalala na mody tsy mahalala ny arofenitra, ka mifamadika ny fahafantarana: iza no afaka manome baiko an’iza, hany ka ireo olom-boatendry indray no manindry ny olom-boafidy. Ny olom-boafidy koa tsy mahay mametraka ny tenany eo amin’ny toerana misy azy sady tsy mahay na noho ny fisolelahana be loatra dia tsy mahafantatra intsony ny andraikiny eo amin’ny fitantanana ny Firenena, ka tsy vitsy ohatra ny solombavambahoaka mangataka fotodrafitrasa na fanamboarana izatsy na izaroa amin’ny mpikambana ao amin’ny governemanta, na ny filohan’ny Repoblika, na misaotra azy ireo kanefa manara-maso ny asan’ny mpananteraka no andraikiny voalohany. Araka izany dia anisan’ny andraikiny tsy azo ivalozana ny mitaky ny antony tsy nahavitan’ny departemanta izatsy na izaroa ny tetikasa voafaritra ao amin’ny programa ankapoben’ny governemanta (PGE).

Tsapa tokoa efa ho roa taona aty aorian’ny nandraisan’izao mpitondra izao ny fahefana fa difotra tao anaty nofinofy fotsiny ny ankamaroan’izy ireo, ka rehefa tonga teo amin’ny fitondrana vao mahatsapa fa tsy kilalaon-jaza izany fitantanana ny Firenena izany, ka mivaona sy mibirioka any amin’ny tsy tokony halehany ny atao rehetra. Aleo hapetraka eto ambonin’ny tany ihany ny tongotra ary hibanjina ny zava-misy marina mialohan’ny fanapahankevitra.