Fifidianana senatera tsy manara-dalàna – Nametraka fitoriana eny amin’ny HCC ireo Loholona

Ireo senateran’i Madagasikara nanatitra fitoriana teny amin’ny HCC

Helisoa

Manoloana ny tsy fanarahana ny Lalampanorenana, mikasika ny didim-panjakana laharana 2020 -1110, nivaoka tamin’ny 09 septambra 2020 mikasika ny fiantsoana ny mpifidy vaventy amin’ny 11 desambra 2020, hifidy ireo Loholon’i Madagasikara, izay noraisin’ny fitondram-panjakana dia tonga nanatitra taratasy fitoriana tetsy amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana (HCC° ny teo anivon’ny Antenimierandoholona, izay notarihin’Andriamatoa RAKOTOVAZAHA Olivier, Filohan’ny vaomiera misahana ny lalàna, ny asam-panjakana, ny asa sy lalàna sosialy, omaly Alarobia faha-16 septambra 2020.

Ny antony hoy ny Loholon’i Madagasikara RAKOTOVAZAHA Olivier dia noho ny tsy fanarahan-dalàna, sy ny tsy fanajana izay voasoratra ao anatin’ny lalàna fehizoro mifehy ny Antenimierandoholona, ao amin’ny adininy faha 80, mitaky ny fisian’ny mpifidy vaventy avy amin’ny faritany , faritra ary avy amin’ny kaominina miaraka amin’ireo mpikambana ao amin’ny filankevitra mifandray amin’ireo mpifidy vaventy ireo, sy ny voalazan’ny andininy faha 127 amin’io lalàna fehizoro io ihany, mikasika ny fifidianana tamin’ny 2015.

Ny tanjona amin’izao fitoriana izao hoy izy dia ny hanafoanana an’io didim-panjakana noraisina io, sy ny fanarahana ny lalàna velona mikasika ny fifidianana.